- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Ketaka : Nohalavaina ny fitazomana ny sipany

Raharaha Ketaka : Nohalavaina ny fitazomana ny sipany

Nanapa-kevitra ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava ny amin’ny hanalavàna ny fitazomana an’I I.R, ilay tovolahy sakaizany. Raha ny fantatra dia mbola misy olona henoina ihany koa momba ity raharaha ity alohan’ny hanolorana ny fampanoavana an’I I.R. Anio kosa no handevenana an’Itompokovavy, any Ambohitrombihavana, izany dia aorian’ny lamesa izay hotanterahina ao Amparibe-Famonjena. Mbola mijanona ho mistery amin’ny maro ny mahakasika ity raharaha ity. Novonoina ve izy sa kosa namono tena? Ny fianakaviany dia mitsipaka ilay antony faharoa ary izay rahateo no nahatonga ny fisian’ny fanadihadiana nisokatra. Manampy betsaka amin’izany ny valin’ny fitiliana ny razana izay natao ny andron’ny nahitàna azy maty tao an-tranony ihany. Saingy ny tatitr’izany dia mandeha avy hatrany any amin’izay mpitsara handray an-tànana ny raharaha. Heverina izany fa aorian’ny fandevenana no hitohy indray ny fanadihadiana sy ny fihainoana ireo olon-kafa, araka izay mety hilàn’ny pôlisy azy, mba hamenoana ny fanadihadiana. Mitohy amin’ny tambajotra sosialy ny hafatra fanomezam-boninahitra an’i Ketaka Razafimisa avy amin’ny olom-patany. Maro ny olona nahafantatra azy satria mora mifandray amin’olona Itompokovavy fony fahavelony. Isan’ny nanana hoavy lehibe tamin’ny sehatry ny sarimihetsika ihany koa ny tenany ary betsaka no niandrandra azy hitondra avo izany sehatra izany. Saingy ny lahatra sy anjara tsy namela izany… D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser