Efa herinandro sahady izay no nidoboka am-ponja I.R rehefa voarohirohy ho nomono ny olon-tiany izy, tsy iza izany fa ilay mpanatontosa sarimihetsika fantatry ny maro loatra, indrindra taorian’ny nahafatesany. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny havan’I.R ary nilaza mazava fa misy tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpanao fanadihadiana. « Ny marainan’ny nanolorana ny havanay teny amin’ny fampanoavana, dia nisy valan-dresaka nataon’ny B.C izay nanamarina fa novonoina i Ketaka. Tsy idiranay ny resaka fanadihadiana fa raha araka ny fenitra kosa dia misy « devoir de réserve » izy ireo. Etsy andanin’izany ihany koa, dia misy ny antsoina hoe « presomption d’innocence » izay mahakasika ny zon’ny olona tsirairay : tsy azo lazaina ho meloka izy raha tsy mivoaka ny didim-pitsarana. Izany rehetra izany anefa dia tsy nisy voahaja » raha araka ny fanazavan’ny havan’ I.R izay nisafidy ny tsy hanonona anarana. Ankehitriny dia mpamono olona no nahafantarana ny havanay, kanefa ny fanadihadian’ny fitsarana sy ny raharaham-pitsarana aza mbola tsy nandeha akory, hoy hatrany izy ireo. Notohizany fa tsy sanatria akory mikasa ny hanakorontana ny fanadihadiana akory, fa mba mitaraina noho ny fanamelohana olona izay tsy mbola nandalo fitsarana akory : na ny anarana na ny sary dia efa naparitaky ny BC tamin’ny haino aman-jery. Dia ahoana izany ny fandraisan’ny fiarahamonina an’ I.R raha toa katsy izy akory no tompon’antoka tamin’ny famonoana? Isan’ny fanontaniana napetrak’ireo
havany izany.
D.R
Ahiana ho nisy olona fahatelo
Tonga tao an-trano izy roa, avy nijery ilay sarimihetsika izay notontosain’i Ketaka. Manodidina ny tamin’ny 11ora alina tany izany. Efa samy mamomamo ka ny iray tao amin’ny efitrano fandriana raha mbola nandrehitra solosaina kosa na nijery izay mety hokasihana farany amin’ilay sarimihetsika ny iray. Tsy niara-natory izany ka ny maraina izay nahita ny iray fa maty tao ambadika i Ketaka. Efa nangatsiaka ny tanany, nezahina novelomina saingy tsy tafaverina intsony ny ainy. Izay ny ambangovangon’ny famerenana ny zava-nisy izay efa notanterin’ny haino aman-jery tsikelikely ihany. Ankehitriny kosa dia ahiana ny nisian’ny olona fahatelo tao anatin’ity raharaha ity, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha ihany.