- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha « kidnapping » : Karohina fatratra Rams sy Olivia vadiny

Raharaha « kidnapping » : Karohina fatratra Rams sy Olivia vadiny

Namoaka filazana fikarohana na « avis de recherche » mahakasika mpivady iray, ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava (BC) etsy Anosy, omaly. Tsy iza izany fa Rakotoarimanana Pierre Joseph dit Rams sy Raharinirina Olivia Jenny. Voalaza fa tafiditra tamin’ireo raharaha fakana olona an-keriny na « kidnapping » nisesisesy faramparany tato ho ato izy ireo. Isan’izany ilay zanaka Karana mpandraharaha niseho teny Ilafy tamin’ny volana Mey sy ilay teny Soavinimerina, tamin’ny volana Jona. Nambaran’ny Kaomisera Rakotondrasoa Jean de Matha, lehiben’ny BC, fa araka ny loharanom-baovao eo am-pelantananan’ity sampan-daharaha ity, dia nandray anjara mavitrika tamin’ireo asa ratsy ireo tokoa i Rams. Ity  farany izay voalaza fa tsy vahiny amin’ireo polisy intsony, satria efa nisy fotoana nahatrarana azy ary efa nigadra noho ny fanafihana mitam-piadiana. Olivia Jenny R.  vadiny kosa no mpikirakira ny vola be azo avy amin’izany fanaovana « Kidnapping » izany. Ny fanadihadiana nataon’ny polisy hatrany no nahalalana, fa efa nividy tany sy manorina trano goavana eny amin’ny kaominina Anosiavaratra , ao Antananarivo-Avaradrano izy mivady ireto. Araka ny fanazavana hatrany, dia mpinamana akaiky amin’i Saoly na Ranaivoson Auguste sy Tovondriaka Le-Jean ; izay efa samy voasambotra noho ny  kidnapping  i Rams. Noho izany, manantena ny polisy, fa ny fahazoana azy mivady ireto dia mety hivoahan’ny marina momba ity resaka fakana an-keriny ity. Koa miangavy ny be sy ny maro ny BC mba tsy hampiantrano ireto olon-dratsy ireto sy hifanome tànana amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana azy ireo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici