Tsy nisy azo nafenina intsony ny fisian’ny kolikoly avo lenta amin’ity resaka « kidnapping » tany Toamasina ity nandritra ny andro faharoa tao amin’ny fitsarana heloka bevava. Isan’izany ny tsy nahatongavan-dRafiloson Andry atao hoe koa Ravola tao, nefa dia isan’ny tokony hohenoina sy hotsaraina ny tenany, omaly. Nandritra ny andro faharoa no nahafantarana tamin’ny fotoam-pitsarana fa vao nivoaka ny fonjan’Ambatolampy izy, herinandro lasa izay. Tamin’io fotoana io anefa, raha tsiahivina kely, dia efa nivoaka ny datin’ny fitsarana ity raharaha « kidnapping » an’i Annie sy Arnaud ity. Nambaran’ny fitsarana mazava fa amin’ny tranga toy izao, dia mety hitohy amin’ny fikarohana azy ny raharaha. Isan’ny voatonona tao koa ny anaran’ny Juge Jacky, saingy isan’ireo tsy nipoitra izy. Io farany, raha tsiahivina fohy, dia efa notazonina vonjimaika tao Manjakandriana ary nahazo fahafahana izay tsy fantatra intsony na vonjimaika koa na hafa mihitsy, tamin’ny volana jiona 2016. Izany fahabangana roa karazana izany, dia miteraka fanamarihana ho an’ny olona izay manaraka akaiky ny raharaha, fa mandeha ila ihany ny raharaham-pitsarana. Na izany aza, nohamafisin’i Arlan Ramiliarison, rain’i Arnaud, fa io Ravola io sy Roger Lala Stéphanie no mpiantso azy matetika amin’ny finday ary mitaky ny vola takalonaina izay nomarihany fa 4 tapitrisa Euros. Dia io vola io ihany koa no takian’ny mpitory amin’ity raharaha ity. Ravola izany hatreto no tena atidoha nikotrika ny « kidnapping » raha ny heno nandritra ny raharaham-pitsarana. Natsipy tany aminy avokoa ny rihitra rehetra ary mora rahateo ny nanao izany noho izy tsy hita popoka. Miitatra toa ny sima misioka ny raharaha, satria isan’ny fanontaniana mila valiny koa izany izao ny amin’ny antony namoahana azy am-ponja, andro vitsivitsy talohan’ny fitsarana ny raharaha « kidnapping ». Andro fahatelo anio amin’ny fitsarana ity raharaha iray ity ary nilaza ny fitsarana, fa tsy maintsy hotohizina izany anio na dia eo aza ny fitokonan’ny mpitsara izay hanomboka anio, ary tsy misy asa farafahakeliny.
D.R