Omaly no natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy, ilay manamboninahitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena; izay voarohirohy tamin’ny raharaha fakàna an-keriny nisesisesy tany Tsaratanàna. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay komandà noho ny vesatra telo samihafa : fikambanan-jiolahy, kolikoly ary fanangonan-karena tsy ara-dalàna. Raha tsiahivina dia taorian’ny nandalovan’ny Praiminisitra tany an-toerana no nivoahan’ny baiko amin’ny fisamborana azy. Notazonina tao amin’ny zandary etsy Fiadanana izy ary natao fanadihadiana nandritra ny herinandro mahery. Ankoatr’izay, fantatra koa fa nidoboka ireo zandary roa tao Maintirano, isan’izany ny Chef de Poste tao an-toerana. Fanamparam-pahefana sy herisetra no antony nitazonana azy ireo.
D.R