Roa volana taorian’ny nisamboranan’i Renaud, atao hoe Nono, dia nanapa-kevitra ny hivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakaviany ary nanazava ny zava-misy marina, araka ny fijerin’izy ireo ny raharaha. Raha tsiahivina dia nosamborina tany Mahajanga i Nono rehefa nolazaina fa atidoha nikotrika ny fakàna an-keriny zaza roa tao Toamasina. Nambara tamin’izany fotoana fa nitsoaka ny fonjan’Ambatolampy izy ary nikasa haka an-keriny karàna iray ary mbola nahatratrarana sakaosy misy vola vahiny aza teny aminy. Namaly ny fianakaviana : “fanosoram-potaka sy fanalam-baraka ary faharatsiam-panahy tsotra izao no nanaovana ny havanay tahaka izany”. Notohizan’izy ireo fa tsy mbola nisy raharaha kidnapping nahavoasaringotra azy hatramin’izay niainany ary gaga aza ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina manoloana ny zava-nitranga. Amin’izy ireo dia mpandraharaha iray no tao ambadiky ny fanaratsiana sy fisamborana an’i Nono. “Resaka fifandraisana an-telefaonina mikasika ny fitakiana trosa mitentina enina miliara fmg no navadik’io mpandraharaha io ho resaka fitakiana vola takalon’aina (rançon) momba ny fakàna an-keriny” ho ireo fianakaviana mitaraina. Efa nisy ny fanadihadiana natao an’i Nono teo anivon’ny zandary misahana ny heloka bevava tao Toamasina ary no savaina hatramin’ny tranony tamin’ny 2015. Hatramin’ny resaka nataony an-telefaonina tamin’ilay mpandraharaha aza dia efa nohenoina ihany koa avy amin’ny fangatahana alàlana hahafahana manao izany na “requisition téléphonique”. Ny 16 desambra 2015 izy no nohenoina farany teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ka rehefa hita fa tsy nisy zavatra nahafahana mitazona azy dia nahazo fahafahana vonjimaika i Renaud na Nono. Roa taona taty aoriana anefa, rehefa tonga ny andron’ny fitsarana ady heloka bevava izay natao ny 25-26-27 septambra 2017 teo izay tsy nahazoany fiantsoana (convocation) akory dia avy hatrany dia namoahana didy miasa an-terivozona mandrapahafaty izy ary narahina didy fampisamborana nandritra ny fotoam-pitsarana. Efa mandeha ny fanoherana (opposition) izany didy izany. I Nono dia afaka niriaria toa ny olon-drehetra taorian’ny 16 desambra 2015, hoy ny havany, ary isan’ny nahagaga ny fianakaviany ny hoe misy “avis de recherche” ary koa ny antony tsy niantsoana azy momba ny fitsarana mahakasika azy. Mifandraika amin’izay koa, mazava izany fanalam-baraka fotsiny, raha ny filazan’ny havany hatrany, ny hoe efa nigadra tao Ambatolampy. Notohizan’izy ireo fa tsy marina velively ny filazàna ny amin’ny fisian’ny vola vahiny sandoka tany aminy. “Raha nisy izany dia tokony ho natao ‘objet de saisie’ ary nanokafana fanadihadiana… tsy marina koa ny filazana fa nikasa hanao kidnapping karàna ny anton-diany tany Mahajanga fa paika iray nentina hisamborana azy fotsiny”. Nisy ny fisavana ny trano izay nivantanany nataon’ny zandary teo anivon’ny brigade des recherches criminelles tao Mahajanga fa tsy nahitana zavatra mampiahiahy. “Raha ny marina, ny antony nandehan’i Renaud tany Mahajanga dia noho izy manana orinasa sy magazay fanamboarana sy fitazonana palissandre, ao Belobaka no misy an’izany ary antsoina hoe Etablissement Fenomanana”. Farany dia notsipihin’ny havany fa mpandraharaha ara-toekarena i Nono : “tsy mitovy mihitsy ny dikan’ny hoe “homme d’affaires “ sy ny hoe “mafia” nampanao asan-jiolahy izany” hoy izy ireo. Mitaky ireo fianakaviana ny mba hanarahan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ao amin’ny fitsarana akaiky dia akaiky ity raharaha ity satria amin’izy ireo dia tsy nanao izany heloka niampangana azy izany i Renaud.
T.M