- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha kidnapping sy fandrobana : Zandary efatra nalefa eny Tsiafahy, Karàna telo...

Raharaha kidnapping sy fandrobana : Zandary efatra nalefa eny Tsiafahy, Karàna telo eny Antanimora

Raha tokony ho ny zoma lasa teo, no nohenoin’ny mpitsara mpanao famorotana teny Anosy ireo olona voarohirohy tamin’ilay raharaha fandrombana sy fangalàna an-keriny mpandraraharaha tao an-drenivohitr’i Betsimasaraka tao, dia ny sabotsy teo izany vao vita. Vokany, zandary telo avy amin’ny Gsis, miampy zandary iray avy any Toamasina, no nalefa avy hatrany eny Tsiafahy.Teratany Karàna telo sy olona roa hafa kosa no nadoboka eny Antanimora. Izy rehetra ireo, izay samy miandry ny fotoam-pitsarana azy avokoa. Nitana ny sain’ny maro tokoa ity raharaha ity, ary azo lazaina angamba fa io no raharaha goavana indrindra tamin’ity taona ity. Roa herinandro latsaka teo izay no nisian’ny famotorana lalina nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana heloka bevava, taorian’ny fisamborana ireo mpitandro filaminana telo lahy sy nahatrarana volabe tao anatin’ny fiaran’izy ireo. Nahavoarohirohy olona maro tokoa ity tranga iray ity, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo teratany vahiny telo sy ireo malagasy roa hafa nalefa eny Antanimora. Izany rehetra izany mbola miampy olona ambony sy manamboninahitra iray hafa, izay mbola karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra mantsy, dia isan’ireo nanampy ireo zandary avy ao amin’ny Gsis, izay tsara marihina ihany fa efa tsy teo ambany fiahian’ity vondrona ity intsony fa efa notendrena hiaro olom-panjakana ambony, tratra tany am-boalohany izy ireo. Ireo telo lahy ireo, araka ny fanazavana azo, no tena atidoha nikotrika io fandrobana io. Tamin’io fotoana io, nanararaotra ny fotoana nahazoany nivoaka ry zalahy, ka nananterahany ny « asa ratsiny », raha ny fantatra hatrany. Efa nahazo ny sahaza azy izany aloha izy ireo, miampy ireo olona mpiray tsikombakomba taminy. Andrasana kosa etsy andanin’izany ny fotoam-pitsaràna ireo olona ireo. Na izany na tsy izany anefa, dia mbola mandeha hatrany ny siosion-dresaka ny amin’ny fisiana olom-panjakana ambony ao ambadik’izao raharaha izao. Mety ho marina ve ? Tsy fantatra intsony aloha fa raha ny fanazavana azo, dia mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olona voarohirohy amin’ity tranga iray ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser