Lasa olona be ity raharaha ady madio fifampivarotana lavanilina teo amin’ireto mpandraharaha roa ireto ity ankehitriny, satria nampidirin’ny fitsarana fonja vonjy maika ilay mpandraharaha iray mpiantoka ilay lavanilina ny 28 desambra 2020 teo. Raha ny fanazavana azo dia resaka varotra lavanilina 148,8Kgs no niteraka ny olana teo amin’izy ireo.
Tany amboalohany ny volana febroary tany ho any dia nitady mpividy lavanilina taminy ity mpandraharaha mpanangom-bokatra. Raikitra fa ho vidian’ilay mpandraharaha namany ilay lavanilina, ka mitentina 104.060.000 ariary ny vidin’ilay lavanilina 148,8Kgs. Ny olana anefa ho an’ireo mpividy lavanilina fantany, ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohan’ny “coronavirus” ireny, ka maro ireo tsy nanam-bola. Voatery nitady mpividy hafa ilay mpandraraharaha mpiantoka ity lavanilina ity vokatra izay, nefa mora tsy noheverina azy ny vidiny tamin’izany. Nifanarahana tamin’ny tompon’ilay lavanilina namidy anefa “maty magnefa” (maha-lafo vao mandoa vola) ny raharaha, ka ny volana jolay 2020 iny tsy nahita vola afa-tsy 30.000.000 ariary ilay mpiantoka nomena ilay mpivarotra. Raikitra teo ny fitorian’ilay mpandraharaha tompony an’ilay mpividy ny lavaniliny, raha nalamina tamin’ny fangatahana ny hanomezana azy ny fiarany ny raharaha. Nandà izany ilay mpiantoka satria tsy mitovy ny sandan’ny lavanilina niantohany, sy ny vidin’ilay fiarany, nefa izao tonga tamin’ny fisamborana am-pitaka azy teny amin’ny polisy misahana ny raharaha ekonomika, ary tonga tamin’ny fampidirana azy am-ponja vonjy maika ny 28 desambra 2020 teo.
Ankoatra izany dia io andro io ihany dia nanao fanohanana izany ny mpisolovava azy, ka tokony niakatra fitsarana ny raharaha fitanana am-ponja vonjy maika azy ny 30 desambra teo. Amin’ny maha-fialantsasatry ny fitsarana ny vanim-potoana toy izao, dia tavela ny antontan-taratasin’ady, ka tsy afaka notsaraina ary mitohy ny fitanana am-ponja vonjy maika azy.
Malala Didier