- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha lohan’olona tao Ambolomadinika : Nofotorana ilay vehivavy nahita izany sy ny...

Raharaha lohan’olona tao Ambolomadinika : Nofotorana ilay vehivavy nahita izany sy ny rainy

Tena mbola mitana ny sain’ny maro eto Toamasina, ilay raharaha lohan’olona voalaza fa nisy nahita tao amin’ity trano iray tao Ambolomadinika, raha sendra nitady asa tao amin’ilay trano ity tovovavy iray antsoina hoe R.E ity. Omaly alarobia no nalaina am-bavany tao amin’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka be vava eto Toamasina ny tenany sy ny rainy, mahakasika ny zavatra hitany sy niainany. Midika izany, fa tsy marina ny feo mandeha eto Toamasina fa efa nampidirina fonja vonji- maika am-ponja ity tovovavy 21 taona manana baka ity, noho ny fanelezana tsaho sy nampisakoroka olona noho ny zavatra hitany.

Niaiky ity tovovavy ity fa tsy adala na very saina izy tamin’ny fotoana nahitany ilay lohan’olona nambarany, satria tao an-trano teo am-pitadiavana asa mihitsy izy no nahita izany, ary teo am-pandresen-dahatra azy hiasa ka tsy maintsy mamonjy fandroana tao amin’ny “baignoire” efa feno rano ny tenany. Renim-pianakaviana sinoa vavy efa lehibe no nampirisika azy tamin’izany, saingy raha niala haka zavatra any an’efitra hafa izany ilay renim-pianakaviana sinoa vavy efa lehibe ity, no notsofin’ny rivotra tampoka ilay lambam-baravarana manasarana ilay efitrano nisy azy ireo sy efitrano fandroana no nahitany izany zavatra izany. Avy hatrany dia narary ny kibony noho ny fahatairany nahita ny zavatra tsy mbola fahitany, ka nanao tari-dositra raha mbola tsy tafaverina tao amin’ilay efitrano nisy azy ireo ilay renim-pianakaviana sinoa vavy efa lehibe ity.

Safotra ilay tovovavy nony tonga tany an-trano hoy ny rainy, ka tsy nahateny mihitsy ny tenany taorian’ny fitampodian’ny ainy fa ranomasobe no nataony. Raha niezaka nanambitamby azy ny rainy hitantara ny nanjo azy, dia ilay saika maty sy ilay saika tsy nahita ny fatiko hatrany no naverimberiny tamin’ny dadany. Ny rainy no niezaka nanazava izany tamin’ny lehibeny teo aloha tao Antananarivo, satria efa mpiasam-panjakana misotro ronono ilay rangahy, ka tamin’ny 03ora no nahazo fotoana tamin’ny zandary ilay tovovavy sy ny rainy nanazavan’izy ireo ny zava-nitranga sy hitany. Tamin’ny 04 ora no tonga teny Ambolomadinika ny zandary, saingy tsy afa-nisava ny trano raha tsy tamin’ny 05ora, satria izay vao azo ny taratasy avy tamin’ny fampanoavana nahafahana nanao izany. Efa efitrano nadiodio sy nilamina no hitan’ny zandary tao an-trano, ankoatra ireo basim-borona roa voalaza nandritra ny fisavana izay tsy misy taratasy ara-dalana raha ny tenin’ilay tovolahy zanak’ilay ramatoabe sinoa tompon-trano sy ilay nandray ilay tovovavy hiasa ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici