- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Lylison : Niainga tamin’ny feo nalaina tao anaty restaurant ?

Raharaha Lylison : Niainga tamin’ny feo nalaina tao anaty restaurant ?

Mitohy hatrany ny fitadiavan’ny mpanao fanadihadiana porofo mba hahafahana manapaingotra ny Senatera Lylison de Rolland. Porofon’izany ireny fisavana ny tranony tetsy Andohanimandroseza ary koa ny famoahana baiko tsy hahafahany mivoaka ny firenena. Fa ny tena niaingan’ny fanenjehana azy kosa dia manjavozavo hatreto. Ny fanaovany antso ny olona mba hanao tanàna maty an’andrenivohitra, ny talata lasa teo hatreto no heverin’ny mpanara-baovao fa anton’ny fanenjehana. Nisy loharanom-baovao hafa indray anefa nilaza fa niainga tamin’ny « enregistrement » ny resadresaka nifanaovany tamin’ny olona akaiky azy ny fototry ny fanenjehana. Resadresaka eo amin’ny samy mpinamana, tao amin’ny toeram-pisakafoana lehibe iray etsy Antaninareniana, izay mety ho nisy naka feo an-tsokosoko ka nitatitra tany amin’ny ambaratongam-pahefana. Tsy vao voalohany no nisy ny famandrihana toa izao. Isan’ny niteraka resa-be teo amin’ny fiarahamonina ohatra ny fanambaniana nataon’ny olona akaiky ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana ka nilazany fa babakoto ny gasy. Io koa dia voafandrika rehefa nisy naka feo ny resadresaka nataony tamin’ny mpiray latabatra taminy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe ampy ve ny horonam-peo atao porofo anenjehana olona ? Indrindra koa, tsy manan-kery eo amin’ny lalàna velona gasy hatreto ny horonam-peo sy horonan-tsary hatreto…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici