- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Maroantsetra : Olona dimy nosamborina

Raharaha Maroantsetra : Olona dimy nosamborina

Miahazakaza be ny toe-draharaha mikasika ny fifampitoriana teo amin’ireo samy mpandraharaha ao Maroantsetra, dia ny tompom-bola tsy azo sy i Rodrigue izay tsy nahaloa ny trosany, araka ny vaovao azo tany an-toerana. Raha ny angom-baovao mari-pototra nangonina dia efa any an-toerana avokoa omaly tolakandro ireo mpitandro ny filaminana hisambotra azy sy hametraka ny filaminam-bahoaka raha miverina ilay sakoroka. Omaly folakandro, olona dimy no efa nosamborina.

Feno mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ny any an-tanana. Nahitana ireo polisy avy amin’ny FIP na Hery Vonjy Taitra avy eto Toamasina sy ireo ekipan’ny polisy avy ao Mananara Avaratra ary ireo ekipa mafonjan’ny FIGN na ny Hery Vonjy Taitra ny Zandarimariam-pirenena, izy ireo no efa any Maroantsetra. Nisy ihany koa tao anatin’izany ny fivoriana teo amin’ireo tomponandraikim-panjakana avy ao Maroantsetra sy avy eo anivon’ny prefektiora ary ny faritra Analanjirofo omaly tolakandro, nandinika ny tetikady nentina hisorohana ny mety hitranga mandritra ity fisamborana ity. Baiko hentitra avy amin’ny lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Fitsarana ary ny misitra isany misahana ny Filaminam-bahoaka sy ny Fiarovam-pirenena, ny hamindrana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana Toamasina; satria tsy ny resaka ara-bola eo amin’ireo samy mpandraharaha intsony no olana, fa tonga hatramin’ny fikomiana nitarika hetsi-bahoaka nandoroana biraom-panjakana sy fananam-bahoaka ny raharaha. Ankoatra izay, dia fantatra araka ny angom-baovao mari-pototra io hatrany, fa nisy famonoana omby nisaorana ireo “vahoaka” nanohana azy nataon’ingahy olom-boafidy teo aloha omaly tao amin’ny trano fonenany; ireto vahoaka izay mbola vonona ny hiaro azy hatramin’ny farany, ka ahiana indray hiteraka sakoroka sy poa-basy ary ho fandratrana olona ny fisamborana tsy maintsy atao momba ny raharaham-pitsarana manenjika azy. Ny vaovao farany azo teo anivaon’ny mpitandro filaminana dia milaza fa mbola karohina izy amin’izao fotoana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici