Miasa amin’ny maha-mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina mikasika ny raharaha “Moustapha Azir” nisy naka an-keriny efa ho telo herinandro tsy hita na maty na velona izao. Amin’izao fotoana izao, araka ny loharanom-baovao re, dia nidina ho 100 tapitrisa ariary indray no takian’ireo mpaka an-keriny. Tamin’ny herinandro 1,4 miliara ariary no notadiavin’ireo olon-dratsy. Io vaovao io ihany no nahalalana fa “efa naloa ny 50 tapitrisa ariary” tamin’ilay vola, ka miandry ny ambiny ireo mpaka an-keriny dia mamotsotra azy eo em-pelatanan’ny havany amin’izany. Araka io angom-baovao io hatrany dia tsy tena i Moustapha Azir no tian’ireto mpaka an-keriny hosamborina tamin’io fotoana nisamborana azy io, fa teratany karana hafa, saingy nifandiso ny iraka nampanaovina sy ny toerana nandehan’ireo mpaka an-keriny izay, hoy hatrany ny vaovao, nahatonga ireo mpaka an-keriny ireo nanaiky ny ady varotra nataon’ny fianakaviny ka izao nidina ambany be izao. Ho hita eo izany ny “tena marina” amin’ity raharaha ity, fa tena ao anatin’ny fanadihadiana lalina amin’ny vaovao voaangony ireo mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha Moustapha Azir.
Malala Didier