Tao anatin’ny fifamoriana nataon’ireo zanaka atsimo sy atsimo atsinanana notarihan’ireo lonaka avy amin’izy ireo avy izay tonga teto Toamasina mihitsy ny Pastera Edouard sy Atoa Tabera noho ny fanasana azon’izy ireo, dia nanome 72 ora ny fitondram-panjakana Malagasy hahita vahaolana momba ilay nahafatesan’ireo tovolahy roa izay voatifitry ny zandary ny 17 janoary teo izy ireo. Mifamahofaho raha teo ny momba ity olana ity ho an’ny zandary nitandro ny filaminana sy ny fianakavian’ny maty, ka izao nitarika olana goavana izao; anio raha teo no tapitra ilay 72 ora nomen’izy ireo ny fanjakana hahita vahaolana momba ity raharaha ity. Nivoatra be anefa ny raharaha nanomboka ny zoma nisian’ny fihaonan’ireo lonaky ny zanaka atsimo sy atsimo atsinanana tao Ambalakisoa sy ny vahoaka, satria raha saika hidina an-dalam-be nitondra ny sarin’ireo roa lahy maty sy soram-baventy ireo fokonolona dia nandray ny andraikiny momba izany ny Prefen’i Toamasina ny tsy hanaovan’izy ireo izany hialana amin’izay mety ho fanakorontanana sy ireo mpanankorontana.
Ny sabotsy teo vokatra izany koa dia nifoha ilay raharaha teny amin’ny fitsarana ary tonga teny amin’ny zandary mpisahana ny heloka be vava, ka nanomboka ny fanadihadiana tamin’ny fihainoana ireo fianakaviana sy ireo vavolombelona mpitory ny zandary; aorian’izao izany dia ireo zandary voalaza fa nahavon-doza indray no hohenoin’ny zandary mpisahana ny heloka be vava momba ity raharaha ity. Ankilan’izany izao dia fantatra araka ny angom-baovao natao ny fifanantonan’ny zandary sy ny fianakavian’ny maty miaraka amin’ireo lonaky ny zanaka atsimo sy atsimo atsinanana mitady ny marimaritra iraisana sy vahaolana momba izao raharaha mifamahofaho izao.
Mitaky ny famoahan’ny zandary ireo voaroiroy ho namono ny havany ireo zanaka atsimo sy atsimo atsinanana amin’ity raharaha ity, hoy Tabera Rabemanantsoa; i Georges na i Roly kosa mbola namoha ny tranga nisy ny taona 2012 tamin’ny famonoan’ny saka mainty ny havan’izy ireo ihany koa tamin’izany. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha fa efa samy mandray ny tandrify azy ireo voakasiky ny raharaha rehetra amin’izao.
Malala Didier