- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Nosy-Be : Sarotra ny fandidiana, mitohy anio ny fitsaràna

Raharaha Nosy-Be : Sarotra ny fandidiana, mitohy anio ny fitsaràna

Tsy nivoaka omaly araka ny vinavina indray ny didim-pitsaràna. Raha vita ny fihainoana ireo olona miisa 37 voarohirohy ny alarobia teo, vita kosa ny adihevitra teo amin’ny mpisolovava ary koa ny fijerena ireo horonan-tsary sy feo mifandraika amin’ny famonoana ho faty ireo vazaha roa. Isan’ny niompanan’ny adihevitra ny vokatra ireo horonan-tsary sy ny fijerena raha nisy tamin’ireo olona voarohirohy tao anatiny. Ankoatra izay dia nanamafy ny mpisolovava fa vokatry ny tondro molotra sy ny fanerena teny amin’ny mpitandro ny filaminana no niteraka ny fisamborana ny maro tamin’ireo olona 37. Sarotra ny fandidiana ho an’ny mpitsara, satria figadràna mandrampahafaty no miandry izay voaheloka. Vonoan’olona rahateo no vesatra ary tsy vitan’izany fa mbola teratany vahiny ihany koa. Hita teny an-toerana ny solontenan’ny masoivoho frantsay sy ny zandarimaria. Amin’ity raharaha ity dia mitentina 90 000 Euro ny onitra angatahin’ny mpitory, dia ny havan’ny maty izany. Anio, raha toa ka vita tanteraka ny adihevitra, no hivoaka ny didim-pitsarana amin’ity raharaha arahin’ny maro maso ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici