- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Oniversite Barikadimy : Mpianatra enina voasambotra noho ny tora-bato

Raharaha Oniversite Barikadimy : Mpianatra enina voasambotra noho ny tora-bato

Tsy niandry ela fa taorian’ny famangiana nataon’ny governora atsinanana sy ny filohan’ny oniversite teny amin’ny hopitaly be, mikasika ilay ramatoa hiakatra ho an’ny Antananarivo voatora-baton’ny mpianatra nitokana teo anoloany vavahadiny oniversite, dia voasambotry ny mpitandro filaminana ireo tanora enina ahiana nanao izany tora-bato izany. Tsy nisy ny fampitam-baovao mikasika ity fisamborana mpianatra tao Barikadimy ity, fa ny rehetra no samy manao ny fandikan’izany. Miatrika fakana am-bavany ireto tanora enina voasambotra ireto ankehitriny, ary inoana fa mety hihitatra amin’ny tanora hafa ny raharaha mikasika izany. Efa nilaza moa ireto tompon’andraikitra ireto fa tsy azo andeferana ny raharaha toy izao, satria lasa ataon’ireo mpianatra fahazarana ny mandratra olona sy manimba ny fananan’olona ary mety hahafaty olona mihitsy mikasika ny fahasorenany momba ny fatapahan-jiro izay ny vahoakan’ny Toamasina renivohitra rehetra no tratran’izany. tsy maintsy hisy ny fisamborana izay nahavanona izany ary saziana araka ny heloka vitany ireo voasaringotra ao anatin’izany hoy ireto tompon’andraikitra ireto. Ny trangana tora-bato nandratrana olona sy nahasimbana fananan’olona ary mbola tsy milamina, omaly talata hariva indray dia efa nanao kiririoka indray ireo mpianatra noho ny fahatapahan-jiro nitranga nanainga ireo namany hitokona eny amin’ny vavahady, ary efa nahatangorona mpianatra maro, saingy rava maina ilay fikasana satria niverina ihany ny jiro raha iny saika hamonjy fivoahana ny vavahady iny ireto mpianatra. Ho hitantsika eto ihany ny tohin’ity raharaha ity, satria raha izao no izy dia misy ny fiakaran’izany fampanoavana sy mpitsara mpanao fanadiadiana tsy ho ela izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici