- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha Raissa : « Mila mandray andraikitra ny minisitry ny fitsarana »

Raharaha Raissa : « Mila mandray andraikitra ny minisitry ny fitsarana »

Nafana ny raharaha Raissagate teny amin’ny fitsarana omaly, ary samy nampihaiky ny rehetra ny zava-misy. Nomelohin’ny fitsarana 7 taona an-tranomaizana manao asa an-terivozona ity renim-pianakaviana ity, rehefa voampanga ho nikasa hamono olona. Sahy miampanga ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny mpitsara ambony ho mpanao kolikoly, naka ny volabeny taminy izy io, ary nanery azy hanonona anaran’olona ho nandrisika azy ho nanao ireny karazana ampamoaka ireny. Manoloana izany, miantso ny fandraisana andraikitra avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana ny rehetra. « Tsy tokony hitazam-potsiny izao toe-javatra izao ny minisitra vaovao. Tena manimba endrika sady miteraka fahafaham-baraka ho an’ny départemanta tantany ireny zav-miseho ireny. Mila mampiseho ny minisitra fa tena hanadio izy araka ny kabary efa natainy. Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ihany koa izahay hanadio na hanala ireo olona voantonontonina , raha voaporofo ny zavatra rehetra voalazan’ity renim-pianakaviana ity. Tsy mendrika hitazona andraikitra ambony eto amin’ny firenena ny olona tahaka izany », hoy ny loharanom-baovao, avy amin’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny fitsarana, izay nangataka ny tsy ho tononona anarana. Efa am-bolana maro aty aoriana, tsy mbola nandrenesam-peo ny eo amin’ny minisitera sy ny tribonaly izay voampanga ampahibe-maso tahaka ireny. Raha tsiahivina, ity raharaha ity ihany koa no nahavoantonontonina ny minisitry ny fitsarana teo aloha, ka nanalana azy fotoana vitsy taorian’ny fiparitahan’ny horam-peo tamin’ny tambajotran-tserasera. Miverina ny tantara ankehitriny, mbola nanitrikitrika ireo olona mifanandrina aminy ao amin’ny minisiteran’ny fitsarana i Raissa.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici