- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Soavimasoandro : Hotsaraina anio eny Anosy ilay raim-pianakaviana

Raharaha Soavimasoandro : Hotsaraina anio eny Anosy ilay raim-pianakaviana

Raha tsy misy ny fiovàna dia anio no handalo eo anoloan’ny mpitsara ilay raharaha mahakasika ilay fanaovana herisetra tamina zaza, nataona raim-pianakaviana iray tetsy Soavimasoandro. Hohenoina eo anoloan’ny hazomeloka, ao amin’ny efitrano fitsaràna faharoa, manomboka amin’ny valo ora eo, araka izany ilay raim-pianakaviana voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Marihana fa

ny fitsaràna ady heloka tsotra no hisahana sy handray an-tànana izany raharaha izany, araka ny fampitam-baovao azo. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay raim-pianakaviana. Rehefa avy nitolo-tena teny anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka mamoafady sy ny fiarovana zaza tsy ampy taona tetsy Tsaralalàna dia natao andrimaso, nalaina am-bavany sy nofotorina savaranando ary nalefa teny anivon’ireo mpitsara mpanao famotorana taorian’izay. Ireto farany moa no nanapa-kevitra ny hampiditra azy am-ponja vonjimaika etsy Antanimora aloha, mandram-pahatongan’ny fotoam-pitsaràna anio.

Nampizarazara ny hevitry ny olona maro tokoa iny raharaha iny. Niainga tamin’ny horonan-tsary izay nalaina, naparitaka tamin’ny  tambajotra sôsialy ary niafara tamin’ny fanapotehana fiainam-pianakaviana iray. Tsiahivina ihany koa mantsy fa tsy vitan’ilay raim-pianakaviana ihany no voasaringotra tao anatin’ilay raharaha fa hatramin’ilay zanany. Ity farany izay nanaovan’ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona fanadihadiana ihany koa ary nanapahan’ireto farany hevitra ny hitaizana azy eny anivon’ny toby fitaizana zaza maditra eny Bevalala.

Maro araka izany ny manontany tena raha tena zakan’ny fisainantsika ity tambazotra sôsialy ity ? Teny tsy voahevitra iray hany monja dia mety hampigadra kanefa maro ireo mifanasa vangy, mifamingavinga, manaparitaka vaovao tsy marina ao anatin’izany tambajotra sôsialy. Sary na horonan-tsary iray naparitaka fotsiny dia mety hitarika zavatra maro aoriana ary mety ho tonga hatramin’ny fanapotehana fiainan’olona mihitsy. Ary tsapa tokoa tato ho ato fa na zavatra kely tsy misy dikany aza dia alaina sary ary entina hanalàna baraka olona. Marihana anefa fa manana ny lalàna mifehy ny fanaparitahana sary ary azon’izay olona miseho ao anatin’izay sary izay tsara ny mitory raha toa voatohitohina ny fahalalàhany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici