Mihazakazaka ny raharaha, raha vao avy nandalovan’ny Praiminisitra ny tanàna. Fantatra koa omaly fa nisy ben’ny tanàna iray, olom-boafidy tao amin’ny tanàna antsoina hoe Bekapaika ; izay eo anivon’ny distrikan’i Tsaratanàna ihany io nanokafana fanadihadiana avy hatrany io. Tsy nijanona teo ny fisamborana, satria mbola nisy mpitandro ny filaminana izay zandary hatrany nidoboka ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka. Izany dia mbola mahakasika ny fakàna an-keriny izay nisesisesy tao Tsaratanàna hatrany. Zandary, ben’ny tanàna, manamboninahitra ambony, olon-tsotra. Ireo izany izao no efa voasambotra tato ho ato. Raha ny asan’ireo rehetra ireo, dia toa mampanontany tena hoe tsy efa ny rehetra izay manam-pahefana ve izany no mpanao fakàna an-keriny ao Tsaratanàna ? Raha teto An-drenivohitra sy tao Toamasina ihany no nisy ity karazana heloka bevava ity, tany aloha tany dia lasa Tsaratanàna indray no tena niverimberenan’ny “kidnapping”. Toerana milamina raha jerena ary tsy dia azo eritreretina loatra hoe nivadika ho fakàna an-keriny indray no fanaon’ny dahalo. Nisesy nalain’izy ireo tao ny mpiasam-panjakana, ny teratany karàna izay efa zana-tany ary koa ny olon-tsotra maro. Ary dia tena nahazoana volabe hatrany izany, satria an-tapitrisany sy an-jatony tapitrisa hatrany ny vola notakiana mba ho takalonaina. Ny faramparany dia tao anaty alan’Ankarafantsika no nitazonan’ireo olon-dratsy ny karàna vavy iray. Nentina nandeha an-tongotra an-kilaometatra maro io, ary rehefa torana dia babena kely aloha. Nodoran’ireo olon-dratsy ny trano izay vao avy nandalovany mba tsy hisian’ny marika. Toy ireny amin’ny horonan-tsarimihetsika ireny mihitsy. Toe-javatra izay tsy dia fanaon’ny dahalo loatra izany. Ankehitriny anefa dia miha-mazava ny antony avy amin’ny asan’ireo olona izay voasambotra tato ho ato. Hay marobe ny manam-pahefana sivily sy miaramila niray petsapetsa tamin’ireo heloka bevava niseho…
D.R