- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha vono olona tao Brickaville : Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny zandary

Raharaha vono olona tao Brickaville : Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny zandary

Efa nambara teto fa nametraka fitoriana momba ilay lehilahy maty notifirin’ny zandary tao Brickaville ny fianakaviany. Voarain’ny zandary ny fitoriana nataon’izy ireo ny alakamisy 14 janoary teo, ka efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ity raharaha vono olona ity.

Nambaran’ny zandary fa efa nisy ny fandaminana ny raharaha nataon’ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny distrika ary ny solombavambahoaka tao Brickaville, mba tsy hampitatra ny raharaha, satria niteraka sakoroka tao an-toerana, nefa efa milamina izany ankehitriny. Tsy mihemotra amin’ny zava-misy ny zandary satria amin’izy ireo dia tsy misy izany kolontsaina tsy matimanota izany, fa izay vandana dia kary amin’izy ireo. Efa mandeha ny fanadihadiana ny raharaha vono olona ity izao, ka hivoaka tsy ho ela ny valin’izany, izay hoentina eo anivon’ny fitsarana ihany koa mba hitsarana izay meloka na tsia.

Nandritra ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny zandary nanazavany ity raharaha Brickaville ity ihany koa, no nilazany fa efa manana borigadin’ny alika mpitsongo dia ny vondrompileovan’ny zandary Atsinanana amin’izao. Izany no napetraka dia mba hanamorana ny fanarahan-dia ireo hekola be vava rehetra mpiseho eto Toamasina, tahaka ny fakana an-keriny, ny vaky trano arahina halatra maherivaika, ary fanafihana mitam-piadiana. Tsy hotontosa anefa izany raha tsy eo ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny zandary, amin’ny tsy fikitihana ny toerana avy nanaovana heloka samihafa. Azo antsoina amin’ny 119 sy ny 0342014597 izy ireo mandritra izany na andro io na alina. 90% amin’ny toerana nitrangan’ny asa ratsy nampiasana alika mpitsongo dia dia nahitam-bokany avokoa.

Ankoatra izany dia nilaza ny heviny momba ilay fepetra horaisina momba ny fihanaky ny “coronavirus” amin’izao fotoana izao koa ny zandary, satria hisy ny fepetra fampanarahan-dalàna ny olona horaisin’izy ireo manomboka androany alatsinainy amin’ny fampanajana ny fepetra sakana samihafa. Hisy, vokatra izany, ny fampiharana ny “travaux d’interet general” ho an’ireo tratra tsy mametraka ny arotava mandritra izany. Efa miakatra be indray tahan’ny olona voan’ny “Covid-19” izao eto Toamasina, satria nanomboka tamin’ny olona 08 isan-kerinandro izany dia lasa 21 be izao ny andron’ny alakamisy teo fotsiny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici