- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaham-panjakana sy ny fampivoarana izany : Nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa ny faritra...

Raharaham-panjakana sy ny fampivoarana izany : Nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa ny faritra Bongolava

Ireo solontenan’ny faritra Bongolava notarihin’ny Governora, Atoa Jly Ramiaramanana Joseph.

Ho fanantanterahana ny Velirano faha-12 nataon’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fahavitan-tena sy fandraisana andraikitra eo amin’ireo faritanintsika, dia nisy ny atrikasa sy fikaonan-doha nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony, na voatendry io na voafidy. Nofidiana tamin’ity indray mitoraka ity ny renivohitry ny faritra Vakinankaratra ho mpampiantrano izany. Koa satria fampandrosoana hatrany ny tanjona ary ao anatin’izany ihany koa fanatrarana izany velirano izany dia tsy diso anjara ary isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany atrikasa sy fikaonan-doha izany ireo tompon’andraikitri-panjakana avy ao amin’ny faritra Bongolava, notarihin’ny governoran’ny faritra, Atoa Jly Ramiaramanana Joseph, niaraka tamin’ireo olomboafidy sy olomboatendry avy ao amin’ny faritra. Naompana manokana tamin’ny fampivoarana ny fomba fiasa eo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana moa ny lohahevitra nodinihina tamin’ity fikaonan-doha ity. Marihina fa natao tao anatin’ny roa andro ity fikaonan-doha ity, izay nanomboka ny alatsinainy teo ary nifarana omaly talata. Azo heverina fa hitondra voka-tsoa tokoa ho an’ny daholobe, fa indrindra eo amin’ny lafiny fampandehanana ny raharaham-panjakana, ny vokatr’izany, ary hitarika fampandrosoana sy ho hita taratra eny ifotony. Raha ho an’ny faritra Bongolava manokana dia hita fa efa maro ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny faritra amin’izay lafiny izay, ary azo lazaina fa tsy mitsanga-menatra mihitsy. Efa maro ihany koa ireo resy lahatra ka mifanome tanana amin’izay lafiny fampandrosoana izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici