Mitaraina ny tontolon’ny Fitsarana eto Toamasina fa sarotra ny fanatontosana ny didim-pitsarana amin’izao fotoana. Hatramin’ny lehiben’ny Fampanoavana aza nilaza fa tsy misy manatontosa ny didy mivoaka noho ny fitsabahana sy tsy fanatontosan’ny olom-panjakana (préfet) ny lalana misy manan-kery eto amintsika. Izay ihany koa ny antony fitokonan’ny vadintany sy mpanao lavanty ny herinandro nivalona teo manerana ny Nosy.
Tranga iray ity voarain’ny mpanao gazety ity, ka ny 10 febroary 2022 teo dia nandefa « réquisition main forte » tamin’ireo mpitandro filaminana (zandary) ny vadintanty, satria misy fanatontosana didim-pitsarana ho atao. Voalazan’ny didy navoakan’ny mpitsara raha teo izany eny amin’ny fanambanin’ilay didim-pitsarana nivoaka ; Ilay didim-pitsarana ihany koa ao anatin’izay didy ady maika (ordonnance de référé), ary nilaza mazava fa « ordonnons l’enlèvement des cases se trouvant sur la devanture de la propriété dite ‘Manda’ TF N°21071-BA à la cité Beryl rose… ». Tao anatin’izay anefa dia nandà izany fangatahan’ny vadintany izany ny zandary mba hanomezana tanana (réquisition main forte) azy. Raha ny fanazavana azo dia ny prefektiora teto Toamasina no nilaza tamin’ny mpitandro ny filaminana, fa tsy afaka manatontosa ny didy avoakan’ny fitsarana amin’ny fanarahana vadintany izy ireo. Ankilan’izany dia gaga ny rehetra fa afaka nametraka fanoherana teny amin’ny fitsarana ambony ny mpiady resy tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ka nifarana hatreo ny fanatontosa ny didy fa miandry indray ny didy avoakan’ny fitsarana ambony.
Ankoatra izany dia nisy ny fivoriana teo amin’ny samy tomponandraikitra mikasika ity raharaha tsy fanatontosa didim-pitsarana ity ; saingy nilaza ny prefektiora araka ny vaovao voaray fa afaka tontosaina ny didim-pitsarana aorian’ny rivodoza Emnati fa tsy miditra amin’izany ny prefektiora izay mihazona ny lakile ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier