- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRaharahan-tany ao Belambo Toamasina II : Miverina indray ny disadisa eo amin’ny...

Raharahan-tany ao Belambo Toamasina II : Miverina indray ny disadisa eo amin’ny fikambanana Fagnako sy ny tompon-tany

Miverina indray ny olana eo amin’ny fikambanana Fagnako sy ny tompon-tany ankehitriny, momba ilay tany any Belambo Toamasina II izay mirefy 148ha eo ary manana ny titra  13.334-BA antsoina hoe “Antoby”. Raha nangingina ny raharaha hatramin’ny nanenjehan’ny fitsarana ny mpitarika ny fikambanana Fagnako, ka nampidirana am-ponja azy sy nahafahany nitsoaka ny fonja taorian’izay raha nahazo fahafahana nivoaka ny fonja nitsabo tena izy tamin’izay, dia niverina indray ny disadisa ankehitriny ka nisy ny fitarihana ireo vahoaka voaroaka teny teo aloha niverina naka ny tany izay efa norefesiny hatramin’izay avy. Ho an’ny fikambanana Fagnako, araka ny nambaran’ny filoha lefiny Atoa Randriamifidy Fanja, dia efa nandresy teo anivon’ny fitsarana indroa miantoana izy ireo, dia fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony Toamasina. Efa nisy ny tombana ireo fananan’olona tao nandritra izany, ka voaisa tamin’izany fa misy trano 82 tafo – voanio 289 fototra – 401 fototra akondro – 312 litchis – 201 fototra zavoka…ary 95 fototra manga. Izay no mahatonga ity fikambanana ity miady mafy ny hahazona ity tany midadasika ity hozaraina amin’ny vahoaka eto Toamasina, satria efa ela araka ny fanazavan’izy ireo ny vahoaka no efa nipetraka tao nefa lasan’ny olona ambongadiny fotsiny ilay tanim-bahoaka nohajariany. Nambaran’ireo fikambanana Fagnako ireto hatrany efa nisy ny fitarainan’izy ireo nalefany teny amin’ny fiadidian’ny filoham-pirenena, amin’ny fijerena akaiky ity raharaha tanim-bahoaka misy maka an-keriny ity, hoy izy ireo. Voalazan’izy ireo hatrany fa hisy ny iraka manokana avy amin’ny fiadidian’ny repoblika handamina ny raharaha manomboka androany ao Belambo Toamasina II, ka aorian’izay dinika fandaminan-draharaha izay no hamantarana ny tena marina momba ity raharaha ady tany tsy mety vita ao Balambo Toamasina II ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici