- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharahan’ireo « Pakistanais » telo lahy : Naverin’ny tonia mpampanoa lalana eny...

Raharahan’ireo « Pakistanais » telo lahy : Naverin’ny tonia mpampanoa lalana eny amin’ny zandary ny antontan-taratasin’ady

Misavorovoro tanteraka ilay raharaha mahavoarohirohy tera-tany « Pakistanais » telo lahy, noho ilay fikasana hivarotra vary efa simba sy lo  nogiazana, izay tratra tam-bodiomby teo am-pamindrana azy ireo tao anaty lasaka vaovao, tao anaty magazay iray ao Androranga Toamasina. Taorian’ny baiko nomen’ny tonia mpampanoa lalàna ny hanaovana fanadihadiana azy telo lahy ireto, dia nahavita izany ny borigadin’ny zandary Toamasina ka nanolotra ny antontan-taratasy teo anivon’ny fampanoavana ny alakamisy teo. Raha avy nandinika izany ny tonia mpampanoa lalàna izay isan’ny mpanenjika misolotena ny fanjakana amin’izao raharaha « Pakistanais » telo lahy izao, dia tsy fehin-teny no nataony fa toromarika hafa indray ka naverina eo anivon’ny zandary misahana ny heloka be vava indray i ny antontan-taratasy mba hanamafisana ny fakana am-bavany sy ny fanadihadiana ary ny fanangonana ny porofo rehetra mikasika ireto « Pakistanais » telo lahy ireto. Raha ny angom-baovao natao, isan’ny antony namerenana ny fakana am-bavany azy telo lahy ireto, ny tsy fananany antontan-taratasy ara-dalana mipetraka sy mandraharaha manafatra vary eto amintsika, sy ny ahiahian’ny fitsarana amin’ny fisian’ny fanadiovam-bola maloto, ary ny fisian’ny tsy mazava ao anatin’izao raharaha fanafarana vary nataon’izy ireo izao. Nanomboka ny sabotsy teo no tafaverina teo anivon’ny zandary misahana ny heloka bevava izany antontan-taratasy ho fanohizana ny fanadihadiana izany, ka handrasana amin’ity herinandro ity indray izany izay ho vokatr’ izany, satria hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatra fanaony isan-taona ny mpitsara malagasy ny zoma izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici