Hita ho samy sahirana ihany ireo mpisehatra rehetra omaly, momba ny fitsarana ity raharaha vonoan’olona ity. Ny antony dia noho ny tsy fahalavorarian’ny valin’ny fanadihadiana izay tokony ho fototry ny adihevitra nandritra ny raharaham-pitsarana. Lasa fananarana ny mba tsy hividianana finday eny amin’ny sisin-dàlana sy ny fanatonana manam-pahefana rehefa mahita finday very ny resaka raha toa ka tokony hiompana bebe kokoa tany amin’ilay vonoan’olona sy izay mety ho mahakasika azy. Marina fa voaporofon’ny mpandraharaha an-telefaonina avokoa ireo laharana izay nifandray tamin’ny findain’i Michou, ary izay rahateo no nahafahana nisambotra ireo voarohirohy. Ny tsapa anefa dia nijanona tanteraka teo ny fanadihadiana raha tokony mba niditra lalindalina kokoa tany amin’ny tambajotran-tsosialy fara faharatsiny. Tao aza, raha ny fanazavana omaly, dia efa nisy olona sahy nijoro vavolombelona ho nahita ny zava-nitranga rehetra. Saingy toa tsy nasian’ny mpanao fanadihadiana sirany loatra izany. Amin’ny fijery tsy miangatra dia toa solovaikan’akalana ihany ireo olona izay naiditra am-ponja, satria nahita ny finday. Heverina izany fa mbola miriaria any ny tena tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity ary mendrika ny hamoahan’ny fitsarana baiko ny mba hanohizana ny fanadihadiana ny tompon’andraikitra amin’izay…
D.R