- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireIavoloha : Raikely mpanolana, nadoboka eny Tsiafahy

Iavoloha : Raikely mpanolana, nadoboka eny Tsiafahy

Zazavavy kely vao 13 taona monja no lasibatr’ity raikely tsy valahara, teny amin’iny faritra Iavoloha iny. Nandray andraikitra avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana ka nisambotra ity farany. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa somary ela ihany ilay trangam-panolanana nihatra tamin’ity zazavavy ity saingy tsy nisy sahy nitoroka ny rehetra. Efa niezaka nandaza ny zavatra nanjo azy tamin’ny reniny ihany ilay ankizy saingy, araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana dia samy niezaka mafy nanafina ny zava-nisy ireo olon-dehibe. Taty aoriana nipoitra ihany ny nafenina ary izao niafara tamin’ny fisamborana sy fanagadrana ilay raikely mpanolana izao. Voalaza fa ny herinandro teo no naharay ny fitarainana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, taorian’ny nitondrana ilay zaza natao fizaham-pahasalamana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy no voamariky ny mpitsabo fa nisy nanararaotra ara-nofo izany zaza izany. Rehefa nandeha ny famotorana nataon’ireo zandary dia fantatra fa efa tany amin’ny volana janoary tany ho any no nihatra tamin’ilay zaza izany. Ary tsy iza ilay tsy valahara fa ny olona ao an-trano ihany : raikelin’ity zaza voaolana ity. Rehefa nanontaniana moa ilay zaza dia nilaza fa “tonga an-tsokosoko tao amin’ny efitranony io raikeliny io tamin’izany fotoana izany ka nanoroka ny molony, nanafosafo ny nonony ary nanatsofoka ny ratsan-tanany tany amin’ny fivaviany, …” Tsy nisy adihevitra fa avy hatrany dia nosamborina ilay lehilahy nahavanon-doza, notanana natao fanadihadiana ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana taorian’ireo fakàna am-bavany azy. Mazava ho azy fa tsy nandefitra mihitsy ireo mpitsara mpanao famotorana amin’ny tranga fanolanana mihatra amin’ny zaza tsy ampy taona tahak’izao. Avy hatrany dia voasonia ny taratasy fampidirana am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici