- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBongatsara : Raikely nahavita nanolana ny zana-badiny

Bongatsara : Raikely nahavita nanolana ny zana-badiny

Ingahy raikely mpanolana.

Tsy indray, tsy indroa ny tranga toy izany. Ramatoa namelona irery ny zanany vavy, ka mba nitady lehilahy hafa, nandrandraina ho vady sy mba ho ray modely ho an’ilay zaza kanjo bibidia nitafy hodi-janakondry … Teny Bongatsara Atsimondrano teny indray, lehilahy 52 taona no nosamborin’ny zandary, fa voarohirohy ho nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ny zazavavy kely izay vao enin-taona monja, izay tsy inona akory fa zana-badiny ihany. Ny loza dia tsy vao tamin’io fotoana io, izay nahatratrana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy no efa nanao izany tamin’ity ankizivavy ity ilay rangahy fa efa « matetika » araka ny fampitam-baovao azo.

Raha ny zava-nisy tokoa mantsy, toa ny fanaovan’ilay ramatoa, renin’ilay zaza dia mandeha mivoaka kely ny trano izy ary apetraka amin’ilay « vadiny » ny zaza. Mpivady marina ve moa tsy hifampatoky ka nandeha tsy nisy eritreritra ny reniny. Nisy zavatra tsy maintsy niverenena haingana tao an-trano anefa, minitra vitsy taorian’ny nivoahana ary efa zava-doza no hitan’ny maro. « Ilay vadiny sy ny zanany efa samy miboridana tsy misy akanjo ambony ambany no tratrany eo ambony salon, ny zanany vavy efa noteren’ity raikely ampofoany » hoy ny vaovaon’ny zandary hatrany. Ankona ! Ny hany hery dia nanala haingana ilay zaza teo amin’ilay lehilahy, ary nandeha nampilaza zandary. Mazava ho azy, nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ireto ary nisambotra an’ingahirainy avy hatrany. Voaporofo tany amin’ny toeram-pitsaboana rahateo fa niharan’ny fanolanana tokoa ilay zaza ary efa nahazo ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana nifanaraka tamin’ity tranga nahazo azy ity. Ingahy kosa, raha ny voalaza hatrany dia nahazo tapakila, mivantana avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici