- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalam-baovao : Raikitra indray ny halatra batterie amin’ny andrin-jiro

Lalam-baovao : Raikitra indray ny halatra batterie amin’ny andrin-jiro

Mihena tsikelikely ny vatoaratra mamelona ny jiro mandeha amin’ny masoandro.

Raha mba efa lefilefy kely izany teo aloha, izao kosa dia tsikaritra fa efa miverina indray ny halatra vatoaratra mampandeha ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny lalam-baovao. Ny manodidina an’Andohatapenaka no efa misy voalavaka maro ary mazava ho azy fa nanjavona tao anatin’izany ny batterie. Dia maty manaraka izany ny jiro mba mpanazava ny làlana. Raha tsy misy ny fepetra maika dia azo eritreretina fa ho tapitra tetezin’ireo olon-dratsy ary ho lany tamingana ny vatoaratra, ary ho maizina tanteraka indray ny toerana. Toe-javatra efa nitranga izany tamin’ny andrin-jiro efa ho izy rehetra teny Ampitatafika. Tsy nisy nirehitra intsony ny jiro, fotodrafitrasa nomen’ny Sinoa ary mandeha masoandro. Tsy ny vatoaratra ihany no nalain’ireo olon-dratsy fa hatramin’ny « panneau solaire » koa. Tsy mba misy intsony izany hoe fanajàna ny fananana iombonana izany ho an’ny olona sasany. Hatramin’ny vy arofanina sy ny tetezana ary ny lalan-drano ambanin’ny tany aza misy mangalatra amin’izao fotoana. Dia ny rehetra no mizaka ny vokany rehefa tsy misy ny jiro manazava ny làlana, rehefa mihotsaka ny làlana, rehefa tsy misy miaro ny tetezana. Tsy misy afa-tsy ny olona ihany no afaka mamantatra sy mahita ireny mpangalatra fananana iombonana ireny. Mendrika ny zaraina maika amin’ny mpitandro ny filaminana ny momba azy ireny ary ireo farany kosa dia mila mandray fepetra hentitra momba ny fisamborana, satria tena miha-potika hatrany ny tanàna ary izay mba kely tsaratsara dia mbola misy manapotika ihany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici