
Ity no hetsika ara toe-karena iray isan’ny goavana indrindra raha eto Vakinankaratra no asiana resaka, efa vonona ny FIOVA na Fivondronan’ny Orinasa eto Vakinankaratra tompomarika ny hetsika hanatanteraka ny “Vitrine du Vakinankaratra” ny faha 11-12-13 Septambra ho avy. Hiditra ny andiany faha 27 ny Vitrine du Vakinankartra amin’ity taona ity, fantatra izany nandrita ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety izay notarihan’ny filohan’ny FIOVA Ramarojana Andrianjafy tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo.
Manantena isika fa ho maro ny mpandray anjara, tsy ho latsa-danja tamin’ny taona lasa, niaraha nahita rahateo ny fivoaran’ny Vitrine hatramin’ny nisiany fa tsy nitsaha nitombo ny mpisehatra, nisy aza ireo efa notohanana fotsiny noho ny hamaroany hoy ny filohan’ny FIOVA. Na izany aza dia tsy mitsahatra ny fanentanana ho an’ireo mpiara miasa, mpikambana, ireo rehetra misehatra amin’ny lafiny fampandrosoana ny faritra Vakinankaratra. Ao anatin’izay fanentanana izay no hanantenana fa ahita teknika vaovao, teknolozia vaovao sy hanatsarana na ao amin’ny orinasa na any amin’ny toeam-piasana indrindra ny fiaraha miasa amin’ny tontolo ambanivohitra. Tsy adino fa ao anatin’ny “Vitrine du Vakinankaratra” no ahitana ireo fomba vaovao sy teknika vaovao ho entina manatsara ny fitantanana ny orinasa . Tsy dia hisy loatra ny fihovana ho an’ity andiany ity satria nisy ny fomba fiasa tsy hita ny naharatsy azy sy nahitam-bokatra tsara hoy hatrany ny filohan’ny FIOVA .
Amin’ny maha hetsika ara ekonomika an’ity « vitrine du Vakinakaratra ity dia maro dia maro ny orinasa mandray anjara ary mahita tombony lehibe raha tsy hilaza afa tsy ny fandraisana ireo mpanjifa vaovao hoy ny tompon’andraikitra iray avy amin’ny orinasa Yas mpanohana ofisialy ny « Vitrine du Vakinankaratra ».
Sehatra maro eo amin’ny lafiny fandraharahana no tazana mandritra ny hetsika amin’ny alalan’ny fampiratiana sy fampahafantarana ny orinasany sy vokatra vokariny na ahodiny. Isan’ny mpandray anjara mavitrika ny LFL fantatra eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana, nanolo teha ho mpanohana ofisialy ny LFL amin’ity manaraka ity ny antony dia maro ny fivoarana azon’ny orinasa aorian’ny vitrine manana vokatra vaovao rahateo ny LFL ka eto Antsirabe ampahafantarina azy voalohany mandritra ity hetsika ity.
Ankoatra izay, ny LFL ihany no manana sekoly fianarana momban’ny fiompiana manokana eto amin’ny ranomasim-be Indianina, ka hanentanana ireo ankizy vao afaka baka hitsidika ny tranoeva misy ny LFL hoy ny tomponandraikitra iray avy amin’ny LFL Antsirabe.
Raha aty amin’ny iray volana mahery tsy hanombohan’ny hetsika ny FIOVA dia azo hambara fa efa vononana hatrany amin’ny 90%. Raha toa ka 280 isa ny orinasa nandray anjara tamin’ny taona lasa dia antenaina fa hiotra lavitra noho izay amin’ity manaraka ity. EFa mahatratra 40% hatreto ireo orinasa nisoratra anarana ka entanina ireo orinasa sasany mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, misokatra isan’andro ny birao ao Ambalavato manoloana ny SIMIA.
Hasana ihany koa ireo orinasa tsy mbola tafitra ao anatin’ny sehetra ara-dalana handray anjara amin’ny « vitrine du Vakinankaratra » na orinasa majinika izany na salantsalany fa maro ny tombontsoa azo raisina aorian’ity hetsika ity hoy Jimmy Ratovoandriniaina Sekretera jeneralin’ny FIOVA .
Mampiavaka ny « Vitrine du Vakinankaratra isan-taona ny antsoina hoe diaben’ny firaisan-kina hanentanana ny vahoakan’Antsirabe izay tanterahina mandritra ny fotoana hisian’ny hetsika.
Andry N.