- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilÀ lireAmbatofotsy - Maevatanàna : Raikitra ny antso vonjy amin'ny kapoka sarom-bilany

Ambatofotsy – Maevatanàna : Raikitra ny antso vonjy amin’ny kapoka sarom-bilany

Manomboka efa malalaka ny lalan-kizoran’ireo malaso amin’izao main’andro, tsy dia ahitana orana firy izao. Satria efa mihena ny rotsak’orana aty an-toerana, ka afahan,ireto farany miampita ny ranon’ikopa sy Betsiboka, ary ranon’i Menavava, izay matetika hitondrana omby halatra, raha ny vaovao miely etsy sy eroa, azonay mpanao gazety hatrany. Ny Atalata alina hifoha Alarobia teo, dia omby miisa roa no nalain’ny jiolahy tao anatin’ny valan’omby iray, tany amin’ny fokontan’Ambatofotsy, eto amin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna. Io andro voalaza etsy ambony io no maro ireo olona mpifanila trano, izay variana nijery baolina kitra tamin’ny fahitalavitra amin’ny alalan’ny sahafabe na Canal +, teo amin’ny lalao manasa-dalana nifanandrenan’ny Bayern Munich sy Real de Madrid, ka teo no nanao halan-tsoko ny jiolahy miisa roa. Iny avy nijery baolina iny ny tompon-trano no taitra tampoka, rehefa nahita ny omby vavy roa tsy tao am-bala. Raikitra ny antso vonjy amin’ny kapoka sarom-bilany eran’ny tanàna, teo vao nikoropoka nivory ny olona manodidian sy ny vatan-dehilahy tany an-toerana, hanohy ny fanarahan-dia. Raha ny vaovao voaray farany dia lasa nianavaratra ny dian’ireo dahalo nitondra omby halatra, saingy very lalana any amin’ny fokontany « Croisement-Anosy kely, » any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano ny fokon’olona nanao fanarahan-dia. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia tsara ny mampahafantatra, fa efa indroa amin’izao no nahaverezan’omby ity fokontany ity no misy polisy miambina ihany koa isak’alina, saingy tsy mahasakana ny asa ratsin’ireo malaso.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Tsara no tokony hananan’ny zandary na miaramila hélicoptère de guerre, fa raha ireo hélicoptère amin’izao tsy ahavita azy. Lasa tsotra ny fanarahan-dia, raha tsy hoe angaha ka manana kopaka hisarahana amin’ireo mpangalatra omby ireo jeneraly ireo, ka manakana ny tsy ahazoana an’io karazana hélicoptère io. Raha io no misy dia hitondra vokany ny fanarahan-dia ny halatr’omby satria avy eny ambony eny dia ho voatifitra iretsy dahalo. Amin’izay koa ny miaramila sy ny zandary dia tsy andeha tongotra hanenjika azy ireo fa amin’ny alalan’ny fiara, izay ny hélicoptère no hanampy azy ireo. Mino sy maha toky aho fa conseiller militaire ny ao Iavoloha.

  2. Tsara no tokony hananan’ny zandary na miaramila hélicoptère de guerre, fa raha ireo hélicoptère amin’izao tsy ahavita azy. Lasa tsotra ny fanarahan-dia, raha tsy hoe angaha ka manana kopaka hisarahana amin’ireo mpangalatra omby ireo jeneraly ireo, ka manakana ny tsy ahazoana an’io karazana hélicoptère io. Raha io no misy dia hitondra vokany ny fanarahan-dia ny halatr’omby satria avy eny ambony eny dia ho voatifitra iretsy dahalo. Amin’izay koa ny miaramila sy ny zandary dia tsy andeha tongotra hanenjika azy ireo fa amin’ny alalan’ny fiara, izay ny hélicoptère no hanampy azy ireo. Mino sy maha toky aho fa mauvais conseiller militaire ny ao Iavoloha.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici