Manoloana ny raharaha nahafaty mpitsara tany Toliara, ny 9 desambra 2011, ka hitsarana indray an’ireo polisy 39 voarohirohy aty Antananarivo, ny 22 sy 23 martsa izao, dia nisy andian’olona an-jatony mahery tsy faly niakatr’afo, ka nanao sakan-dàlana tao Ankoronga, amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, 8 km mivoaka ny tanànan’i Toliara, omaly naraina nanomboka tamin’ny valo ora. Nosavain’ireto andian’olona nanao barazy ireto avokoa izay fiara taksibrosy rehetra hihazo an’ Antananarivo. Rehefa tsy nahita an’ireo polisy voarohirohy tokony hotsaraina aty an-drenivohitra ny tao anatin’ny fiara ireo mpanakan-dàlana, dia nalefan’izy ireo nandeha nanohy ny lalany. Antony nanaovana an’izao hetsika sy barazy izao, raha ny fanazavana azo, dia ny fanaovana tsinontsinona ny fitsarana ao Toliara. “ Tsy ekena intsony ny hitsarana an’ireo polisy voarohirohy ho nahafaty mpitsara, satria fanakorontanana ny firenena no kendren’ireo olona manana eritreritra hampigadra an’ireto polisy indray. Aza ampitoviana amin’ny olana any Antsakabary ny aty Toliara, satria efa nisy ny fampihavanana natao izay namonoana omby iray ho mariky ny fihavanana sy ny nofon-kena mitam-pihavanana manoloana iny raharaha nahafaty mpitsara iny “, hoy ny Raiamandreny sy fianakavian’ireo polisy voarohirohy, tamin’ny mpanao gazety. Niantso ny polisy rehetra voarohirohy amin’ity raharaha ity izy ireo mba tsy hihazo an’Antananarivo hiatrika ny fitsarana, ary niangavy ihany koa an’ireo ny polisy rehetra miasa ivelan’i Toliara izay voafatotra amin’izao raharaha izao, mba hiverina haingana any Toliara.
Eric Manitrisa