
Tsy misy tsy mahafantatra azy raha mbola ao Toamasina. Izy rahateo aza no lasa fitaratry ny serasera eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ao an-toerana. Fanelanelanana izay niteraka zava-tsoa maro. Saingy amin’ny lafiny iray koa dia miteraka fanenjehana azy noho ny fialonana. Efa nisahana andraikitra talem-paritry ny serasera tao Analanjirofo ny tenany saingy nahatsapa fa misy tsy fietezan-javatra maro eto amin’ny firenena, dia nanomboka namaky bantsilana. Nampaneno lakolosy tsy mitsahatra mitabataba ao Toamasina i Mickaelys Kamy Ndiamahazo dit Kamy ary nanatsikafona ny tsy mety maro tao Toamasina. Raha adika tsotsotra dia niady ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny tenany. Namoaka dosie maro momba fanararaotam-pahefana sy tsy fandriampahalemana toa ny resaka basy sy bala niparitaka tao Toamasina. Mbola izy koa no isan’ny niady ka nahatonga ny sambo Mercy Ships mbola tafajanona ao Toamasina ary manohy ny fitsaboana samihafa. Izy no nisintona ny lakolosy fanairana tao Toamasina ary nitabataba momba resaka delestazy sy ny tsy fandriampahalemana izay niantsoany an’i Toamasina mba hifoha. Niteraka ny fisamborana azy izany ny aogisitra teo ary nentina haingana taty an-drenivohitra rehefa nampangaina ho manohitontohina ny fiandrianam-pirenena. Sazy mihantona dimy taona ny didim-pitsaràna. Tsy nampihemotra an’i Mickaelys Kamy Ndiamahazo anefa izany fa mbola manohy ireo asa soa sy fiarovana an’i Toamasina izay mahatonga azy ho mamim-bahoaka ao Toamasina. Manelingelina ny mpanao politika izany fahombiazana izany ary mandeha ny fanaratsiana azy amin’ny tambajotra sosialy tato ho ato. Fanodinana saim-bahoaka izay misy tanjona hamafana ireo asa vitany saingy tsy nahataitra ny vahoaka izany fanaratsiana izany. Vao mainka betsaka ny mampahery an’i Kamy.
D.R


