- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana ady heloka bevava Toamasina : Raim-pianakaviana 28 taona namoahana didy “famosirana”

Fitsarana ady heloka bevava Toamasina : Raim-pianakaviana 28 taona namoahana didy “famosirana”

Mitohy hatrany ny fitsarana ady heloka bevava eto Toamasina, izay sahanin’ny fitsarana ambony misahana izany. Isan’ny nahasarika ny sain’ny maro ny momba ity raharaha fanolanana nitranga teto Toamasina tao amin’ny kaominina Mangabe Toamasina II, araka ny antontan-taratasin’ady laharana 123-TOA/24.  Taorian’ny fifandaharana teo amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpamoaka didy ary ireo mpitsara mpanampy miaraka aminy, dia nivoaka ny didy taorian’izay ka “famosirana” sy sazy an-trano maizina 10 taona asa an-terivozona no miandry azy. Ity raim-pianakaviana ity izany no tovolahy voalohany nampiaharana ilay sazy famosirana vao nolanian’ny solombavambahoaka farany teto amintsika izay nampisy resa-be. Tsy izay ihany no sazy azony fa voasazy koa ny tenany noho heloka hafa vitany araka ny antontan-taratasin’ady laharana 91-TOA/24, ka 10 taona am-ponja koa no azony nandritra izany. Araka ny fifandaharana teo amin’ny fitsarana dia fanolanana zazavavy tsy ampy taona, latsaky ny 15 taona, niampy herisetra taminy, ny fanenjehana nahazo azy nandritra izany. Ny fanazavan’ilay zazavavy dia avy namonjy alim-bavaka izy ny 04 novambra 2023 no nandrasan’ity raim-pianakaviana ity teny an-dalana. Norahonany tsy iantso vonjy sy hitabataba ilay zazavavy, ary nanaovany ny filan-dratsiny taorian’izay. Raha ny fanazavan’ny mpiara-monina sy teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava nitsara ny raharaha dia zanaky ny rahavavam-badiny ihany ity zazavavy naolany ity. Ny mpampoana lalana ambony mihitsy no nangataka ny fampiharana io lalana momba ny fanolanana io, ary neken’ny mpitsara mpamoaka didy sy ny mpanampy azy izany. Faly ireo mponina nandritra ny famoahana ny didy, satria araka ny nambaran’ireo vahoaka dia mbola maro ireo zazavavy tsy ampy taona amin’izy ireo te-ho mbola simbain’ity raim-pianakaviana ity, ka nomarihan’izy ireo fa mety aminy io didy “famosirana” navoakan’ny mpitsara sy mpanampy azy io, satria miseho ho mahitahita sy mahafantatra olona ambony izany ny tenany ka natahoran’ireo mponina hampiasa izany marina, nefa izao nahazo sazy mijonja asa an-terivozona sy “famosirana” izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici