Omaly no nivoaka ny filazàna fikarohana azy. Noho ny fikasàna hamono olona no anton’izany raha araka ny vaovaon’ny polisy. Ny sampana miadidy ny heloka bevava no tompon’ny fanadihadiana. Raissah Razaivola dia isan’ny tao anatin’ny horonam-peo izay niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ka niteraka resa-be. Izy no mpanelanelana amin’ny karàna sy ny mpikamban’ny governemanta iray tamin’ny fandoavana volabe mitentina miliara ariary. Tsy izay anefa aloha ny hanenjehana azy eto fa kosa raharaha heloka bevava izay nitranga tany Fenoarivo. Tsy mbola voafaritra mazava fa kosa niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny nanindromany antsy olona. Vetivety dia nitodika tany amin’ity raharaha ity indray ny mason’ny mpanara-baovao, indrindra raha nalaza fa isan’ny olona akaiky olona ambony maro i Raissah ary manana lamosina sy lava tànana ao amin’ny fitsaràna sy ny mpitandro ny filaminana. Tampoka teo anefa namoahana filazàna fikarohana. Handrasana ny fivoaran’ny raharaha.
D.R