- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRamatoabe may teo Antanimena : Manahy ny BC fa novonoina izy dia...

Ramatoabe may teo Antanimena : Manahy ny BC fa novonoina izy dia nodorana

TRANO-MAYTsy nanafina ny fanahian’ny ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana ilay hain-trano nitranga tetsy Antanimena ka nahafaty ramatoabe iray, izay nipetraka tao. Ny anton’izany dia ny fahenoana fofona solitany tao anatin’ilay trano. Manarak’izany koa dia efa nampandre ilay ramatoabe tamin’ny alàlan’ny finday ny manodidina ny amin’ny firehetan’ny trano. Dikan’izany, tokony  hoafaka  niala tao amin’ny efitra  nisy azy izy raha vao naheno izany sy nahita rahateo ny afo. Izy efa maty main’ny afo no hitan’ny mpamonjy voina ny 26 novambara lasa teo. Fa ny porofo tena isan’ny manakaiky ny vonoan’olona, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana ao amin’ny BC, dia ny fisian’ny vola izay noraisin’io ramatoabe io, talohan’ity hain-trano ity. Amin’ny mpanao fanadihadiana  dia tsy misy kisendrasendra avokoa izany rehetra izany fa mety misy ambadika. Efa misy ny olona nohenoina momba ity raharaha hain-trano nitranga tetsy Antanimena ity, raha araka ny mpanao fanadihadiana hatrany.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser