Amin’ny andro antoandro be nanahary no nitranga ny fandrobana, tao amin’ny « baie du pigeon », tsy mifanalavitra amin’ny tora-pasika tsara tarehin’i Ramena. Nitondra zava-maranitra ireo jiolahy izay nanafika an’i Mayer Christian (59 taona) sy ny vadiny Christine (55 taona). Izy ireo dia samy mpizaha tany izay nanararaotra ny fialan-tsasatra any Eoropa ankehitriny mba hitsidika ny hakanton’i Madagasikara. Mbola eo am-pankafizana izany izy mivady no tonga tampoka ny telo lahy ary nandrahona azy ireo tamin’ny zava-maranitra. Nazava tamin’izy ireo avy hatrany fa jiolahy no nifanehitra taminy, ary tsy dia nila nisaina lavitra akory dia takatr’ireo vazaha fa ny haka izay fananan’izy roa no tanjon’ireo. Nomena avokoa izay nisy rehetra teny amin’izy ireo sy tao anatin’ny entany. Lasa ny vola gasy mitentina 900.000 ariary ary koa ny devizy mitentina 1.700 euros (manodidina ny enina tapitrisa ariary) ary koa ny fitaovana lafo vidy toa ny fakan-tsary. Tsy nijanona tamin’izany fa lasa hatramin’ny pasipaoron’izy mivady. Kivy ratsy ireo vahiny ary maloka tao anatin’ny fotoana fohy ny fialan-tsasatra mba efa nomanin’izy ireo efa ela. Olana maro no hosedrain’izy ireo ary ny tena sarotra amin’izany dia ny tsy fisian’ny taratasy hahafahany miverina any aminy raha tsy misy ny fanampian’ny masoivohony azy. Mbola eo ihany koa ny tsy fisian’ny vola intsony izay entina hanohizana ny fivahinianana eto Dago. Miteraka laza ratsy ho an’ny fizahan-tany, na tiana na tsy tiana, ny zava-mitranga toy izao. Rehefa mitranga mantsy ny fanafihana vahiny mpizaha tany, mailaka ny vazaha ny manafoana ny fivahinianany na koa ny fikasany hitsidika an’i Madagasikara. Ireo mpandraharahan’ny fizahan-tany sy ny fitaterana, sehatra izay isan’ny mampidi-bola voalohany ho an’ny firenena no tena mahatsiaro ho ketraka isaky ny mitranga ny toy izao.
D.R