- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Ramose tratra nivarotra rongony

Ambatomirahavavy : Ramose tratra nivarotra rongony

« Tsy manenjika mpivarotra anana sy lasopy mandehandeha na mpivarotra voanjo ny zandarimaria fa ny rongony kosa dia tsy azo ekena satria fototra iray mampirongatra ny asa ratsy. Mampitombo ny filàna hanolana sy herisetra »hoy ny zandary.

Ny voalohan’ny herinandro teo, « ramose lehilahy » iray mpivarotra sy mpibizina rongony tany amin’iny faritra Imerikanjaka, Ambatomirahavavy iny no voasambotry ny zandary tany an-toerana. Araka ny fantatra dia efa ela no narahana maso ity lehilahy ity ary efa betsaka ihany koa ny fitarainana mahakasika ny bizina rongony mandeha eny an-toerana, noho ity lehilahy ity. Natao ny fanadihadiana ary nisy ny fangatahana alalana tamin’ny fitsaràna ahafahana manao « perquisition »na ny fisavàna ny tranon’ilay rangahy. Nahazo izay alalàna izay ireo mpanao fanadihadiana ary nidina teny an-toerana. Tamin’izay fotoana izay, no nahitàna rongony milanja teo amin’ny 832 grama teo tao an-tranon’ity lehilahy, izay porofo mitohaka amin’ny tenda fa tena mpivarotra rongony ranamana. Nogiazana avokoa ireto rongony ireto ary nentina natao famotorana ity mpivarotra rongony ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici