
Faly ery ireo tanora mpitaingina kodiaran-droa manaparitaka ny « vidéo » amin’ny tambajotra sosialy. Tsy inona izany fa ny fiarahan’izy ireo mandeha mafy eny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1). Ny mpijery indray no mitsangam-bolo satria tena mahafaty ao anatin’ny fotoana fohy no koa mety hampidi-doza ho an’ny mpampiasa làlana ny ataon’ireto tanora tsy mijery lavitra ireto. Tafiakatra hatrany amin’ny 130 kilalmetatra isan’ora ny fandehanan’izy ireo ao anaty fiolànana. Amin’izany fandeha izany aza mbola misy mifampisongona ihany. Tsemboka ny fiara izay mifanena amin’ireo ary torak’izany koa ireo songonana. Tena « run sauvage » na koa fisetrasetràna an-dalambe tanteraka ny zava-misy. Ary dia sahin’ireo nandray anjara haparitaka soa aman-tsara amin’ny facebook izany ary tena mihevitra izy ireo fa faly ny olona mijery izany. Vao mainka aza mitombo indray ny fankahalàn’ny mpitondra fiara ny kodiaran-droa raha mijery ny vidéo izy ireo. Ny antony dia hampidi-doza ho an’ny tsy manan-tsiny ity ataon’ireto andian’olona mpakafy moto ireto raha mbola mitohy. Eo koa no ilaina ny fepetra maika tokon’ny raisin’ny manampahefana mba tsy hitranga ny loza izay vao mandeha ny sazy. Be loatra izay matin’ny kodiaran-droa izay, betsaka koa ireo nitondra takaitra ary betsaka koa ny tsy manan-tsiny nihan-doza.
D.R