- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversRangahy mpamboly rongony, saron’ny polisy

Rangahy mpamboly rongony, saron’ny polisy

Rangahy iray efa kalazalahy amin’ny resaka rongony no saron’ny polisy, ny talata lasa teo. Araka ny fanazavana dia toa efa matih,anina amina resaka rongony mihitsy ity rangahy ity. Sady mpifoka izy no mivarotra ary izao namboly izao koa. Vaovao avy tamina olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny polisy, fa misy rangahy mpamboly rongony ao Antsongo no tsikaritry ny olona fa manana tanimbolin-drongony, ankoatra ny fifohany sy fivarotany fantatry ny olona.

Nidina teny ifotony ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana sy ny vela-pandrika samy hafa. Mbola teo am-pifohana rongony mihitsy ranamana no saron’ny polisy. Tsy nisy azo nandavana intsony, fa dia tratra am-body omby araky ny fitenenana. Rehefa natao ny fizahana azy dia mbola nahitana potika rongony ny paosiny ary ny tena goavana dia ny nahitana  rongony 130 fototra namboleny ao amin’ny tanin-katsakany, zara raha miala 10 metatra amin’ny trano fonenany.

Araka ny vaovao nomen’ny teo anivon’ny polisy, dia nahatratra 30 ny olona voasambotra amin’ity resaka fifohana sy fivarotana rongony ity, hatramin’ny volana Novambra. Manodidina ny 18 sy 28 taona ireo tanora mpifoka ary mbola misy zaza mpianatry ny CEG aza.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici