Mitentina eo amin’ny iray tapitrisa ariary teo ho eo no vola lasan’ireo olon-dratsy, nandritra ny fanafihana mpitondra fivavahana iray tao Rangaina Avaradrano. Volam-piangonana izay novinavinaina hanamboarana fotodrafitrasa hanatsaràna izany tranon’Andriamanitra izany.
Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nitrangan’ity fanafihana ity. Nirefodrefotra tokoa ny basy teny an-toerana tamin’io alina io. Araka ny vaovao azo dia manodidina ny valolahy teo ho eo ireo olon-dratsy, izay samy nitondra basy. Ny efatra tamin’izy ireo no nanao amboletra niditra tao amin’ny tranon’ilay pasitera, raha niandriandry teny ivelany ny ambiny. Araka ny fantatra dia basy vita gasy no nentin’izy ireo nandrahonana ity mpitondra fivavahana ity, izay tsy afa nanao na inona na inona noho ny hery tsy mitovy. Toa efa fantatr’ireto olon-dratsy ireto tokoa ny fisian’ireo vola an-tapitrisany io tao amin’ity tokantrano ity ary fantatr’izy ireo hatramin’ny kitapo nisy ilay vola aza, hoy hatrany ny vaovao azo. Vantany vao azon’izy ireo ny vola dia lasa izy ireo nitsoaka niaraka tamina entana sarobidy maromaro tao amin’ity trano voatafika ity. Tsy io tokantranona mpitondra fivavahana io ihany anefa no lasibatra tamin’io alina io, araka ny vaovao azo fa nisy mpivarotra enta-madinika voatafika ihany koa, saingy tsy nisy afa-tsy entana vitsivitsy, toy ny sigara sy ny tariny no lasan’ireo olon-dratsy. Mbola nirefodrefotra hatrany moa ny basy tamin’ny fitsoahan’ireto mpanafika ireto, entina hampitahorana ireo mponina. Ary taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo lasibatra. Tonga namaly ny antso avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Sabotsy Namehana izay marihana fa kilaometatra vitsy miala teo. Raha ny angom-baovao azo dia tokony ho tra-tehaka mihitsy ireo mpanafika saingy toa hoe tojo olona tampoka tamin’ny resaka fiara ireo zandary tamin’io fotoana io. Na izany na tsy izany anefa dia tsy nahasakana azy ireo tsy ho tonga teny an-toerana ny halavirana, niezaka nanao savahao ny manodidina. Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’izy ireo sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L