Noho ny fahatratrarana ity taona vaovao ity, hisy ny fifampiarahabana ataon’ireo zanaka am-pielezan’ny fiangonana Fjkm Rangaina Fihobiana, ny alahady 14 febroary ho avy izao. Hifampitaona etsy amin’ny Epp Ankadivato araka izany izy ireo. Raha ny fanazavàna avy amin’ny tompon’andraikitra, ambonin’ny fifampiarahabana dia hisy fanolorana solombodiakoho ho an’ireo raiamandreny. Ho avy ao ihany koa mantsy ny mpitandrina amin’io fotoana io. Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy ny fiaraha-misakafo sy fiarahana mikorana eny an-toerana. Mazàna dia olana amina resaka fiantsonana no mampikaika ny olona. Malalaka tsara anefa izany, amin’ity indray mitoraka eny an-toerana, hoy hatrany ny fanazavàna.
m.L