Fiarabe iray no lasibatry ny mpanakan-dalana tamin’iny lalan’i Ranohira mihazo an’i Beroroha iny ny voalohandohan’ny volana teo. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny zandary tany an-toerana ka tsy ela dia voasambotra ireo olon-dratsy. Mbola tsy lefy tanteraka tokoa ity resaka fanakanan-dalana ity fa misoko miadana hatrany. Tsy mamely eny amin’ireo lalam-pirenena intsony mantsy ireo olon-dratsy fa any amin’ireo lalan-tany mampitohy disitrika na faritra, somary lavitr’andriana any indray no manao ny ataony. Saika ireo fiarabe na ireo kodiaran-droa amin’ireny lalana ireny no ataon’izy ireo lasibatra. Toy ity nitranga tany amin’ny lalan’i Beroroha ity. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa nampitondra faisana ireo mpindrana iny lalana iny ireto olon-dratsy ireto. Fiarabe mpitatitra iray no lasibatra tamin’io fotoana io, ary lasa avokoa ny zavatra sarobidy sy ny entan’ireo mpandeha. Mirongo fitaovam-piadiana izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny ary mandrahoana ny mpamily sy ny mpandeha. Rehefa nisy ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia fantatra fa hita tao amina tanana iray tao amin’ny kaominina Ranohira izy ireo. Napetraka avy hatrany ny paik’ady ka tra-tehaka tamin’izany ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Efa samy natolotra ny Fampanoavana moa ireto jiolahy mpanakan-dalana ireto.
m.L