- Publicité -
lundi, novembre 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRanohira : Mpivarotra « voamaso » roalahy voasambotry ny pôlisy

Ranohira : Mpivarotra « voamaso » roalahy voasambotry ny pôlisy

« Bizina » hafahafa no nataon’ireo roalahy ireto ka nisamboran’ny pôlisy azy tao Ranohira, Ihorombe, ny herinandro lasa teo. Voamason’olona anankiroa no nentin’izy ireo ary nitadiavany mpividy tao an-toerana. Araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy dia avy any Berenty, distrik’Ankazoabo izy ireo no tonga tao an-toerana nitondra ity entam-barotra mampihoro-koditra ity. Tamin’io fotoana io moa dia efa tonga teny am-poto-tsofin’ny mpitandro filaminana ny raharaha ka natao avy hatrany ny velam-pandrika.

Nisy fotoana tokoa, nahazo vahana tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny herisetra mahatsiravina, na io ny fanapahan-doha izay mbola mitohy hatramin’izao (lahatsoratra etsy ankila) na io halatra voamaso. Ary ny matetika dia ireo olona manana toe-batana varira no saika lasibatra amin’izany. Hatreto anefa, tsy fantatra mazava izay tena antony ilàn’ireo tsy valahara an’ireny taova ireny, izay voalaza fa toa hoe misy mahasahy mividy lafo dia lafo tokoa. Ho an’ireto roalahy voasambotry ny pôlisy ireto aloha dia tapitra hatreo ny azy ireo ny « bizina maloto ». Mbola teo am-pitadiavana mpividy mantsy izy ireo no izao voasambotry ny pôlisin’ny hery vonjy taitra izao. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ao an-toerana izy ireo ary notanana ho amin’ny famotorana azy. Nanamafy moa ireo mpitandro filaminana fa ao anatin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity izy ireo. Matoa misy ny mpivarotra mantsy dia tsy maintsy misy ireo mpitady sy mpividy. Azo heverina fa efa eo an-dalam-pikarohana izay olona izay ny mpitandro filaminana fa indrindra ireo izay mpiray tsikombakomba, tompon’antoka sy loharano niavian’izany taovan’olona izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici