- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRanomafana Brickaville : Zandary mpiana-draharaha dobo an-drano

Ranomafana Brickaville : Zandary mpiana-draharaha dobo an-drano

Nitrangana loza an-dranomany tany amin’iny distrikan’i Brickaville iny ny volohandohan’ny herinandro lasa teo. Zandary mpiana-draharaha iray, antsoina hoe Rakotonanahary Lalaina no latsaka tanaty rano ary tsy mbola hita hatramin’izao.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia voairaka hanatontosa fisafoana tany amin’ny fokontany Manjaoka, ao amin’ny kaominina Ranomafana, distrika Brickaville ny zandary roa lahy. Toerana somary saro-dalana izy io, toa an’ireo faritra ambanivohitra rehetra eto amintsika. Misy ny reniranon’Iaroka ihany koa tsy maintsy hiampitàna, kanefa amin’izao andro somary ratsy izao dia mahery sy manonja ny rano. Ny talata maraina teo ary, tsy maintsy niampita ity renirano ity ireto mpitandro filaminana ireto, tamin’ny alalan’ny lakana. Tsy fantatra anefa izay zava-niseho. Angamba mety ho nitongilana ilay lakana teny am-povoan-drano, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ka latsaka tany anaty rano ity zandary mpiana-draharaha ity. Tsy nety nipoitra  anefa izy. Nikoropaka ny namany niantso vonjy. Niara-nisalahy nitady azy avokoa ireo fokonolona teny an-toerana. Hatramin’ny omaly hariva, raha ny vaovao voaray, dia mbola ny fitaovam-piadiana teny aminy no hita. Mbola mandeha kosa ny fikarohana azy. Efa nidina tany an-toerana nanampy tamin’ny fikarohana koa moa ireo zandary tompon’andraikitra any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici