- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRanomafana Ifanadiana : Maty voatifitry ny dahalo ny Kaomandin’ny borigadin’ny zandary

Ranomafana Ifanadiana : Maty voatifitry ny dahalo ny Kaomandin’ny borigadin’ny zandary

Lavo teo an-tanim-piadiana ny GPHC Rambeloson Heritiana Emilson, Kaomandin’ny borigady ao Ranomafana, omaly vao maraina, raha nanatanteraka iraka tany amin’ny tanana kely iray antsoina hoe Torotosy, ao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Ranomafana, distrikan’Ifanadiana.

Araka ny fanazavàna azo, ankoatra ny fitsidiham-paritra nataony, niaraka tamin’ireo miaramilany telolahy tany an-toerana, dia nisy ihany koa fanadihadiana natao tamin’ireo fianakaviana niharan’ny asan-dahalo tany. Tafandry tao amin’io tanana voalaza teo ambony ireo zandary ireto ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tamin’izay indrindra no nisy antso vonjy tany ho any. Nanafika ny dahalo ! Nitsangana avy hatrany ity mahery fon’ny firenena ity, niezaka niaro ireo olona voatafika. Vao nivoaka anefa dia bala maromaro no niantefa teny aminy, nandavo azy avy hatrany. Lasan’ireo dahalo ihany koa ambonin’izay ny basy « kalach » teny aminy, niaraka tamin’ny fitoeram-bala roa izay voasesika bala 60 isa. Na dia teo aza ny fahalavon’ilay lehibeny izay dia niezaka nanohitra ireto andian-dahalo izay tombanana ho tafakatra any amin’ny 50 lahy mahery any ho any ireo zandary telo sisa. Tamin’io fotoana io dia tapitra nandositra avokoa ireo mponina teo an-tanana. « Sady niala tamin’io toerana io ireto zandary no nifanandrina ary niezaka naka toerana azo antoka kokoa ahafahany miaro tena sy miatrika ny fifandonana.  Taorian’izay vao afaka niantso namana izy ireo rehefa tsy sahy nanatona azy ireo intsony ireo jiolahy ka tonga ireo zandary maromaro». Marihana hoy ny vaovao fa tanana tokony ho adiny roa, mandeha an-tongotra miala avy an-tampon-tanan’i Ranomafana ity toerana nisian’ny fifandonana, nahafaty zandary ity. Ka na dia teo aza ny fikirizan’ireo zandary namonjy ny namany dia efa tapitra nitsoaka, nihazo ny ala mikitroka tany Ambalakindresy ireo olon-dratsy. Na izany aza mbola mitohy ny fikarohana, ny fanarahan-dia ary ny savahao ataon’ireo tompon’andraikitra. Nentina nihazo an’i Ranomafana moa ny vatana mangatsiakan’Itompokolahy, izay namela mananon-tena sy kamboty efatra mirahalahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici