Tsy nifandrenesana indray ny feom-basy tany amin’iny kaominina Ranomafana, ao amin’ny distrika Ifanadina iny, ny alin’ny talata lasa teo. 50 lahy niaraka tamin’ny basy sy zava-maranitra no indray nanafika ny tanana tao Ambatolahy, tanana kely iray tokony ho kilaometatra vitsivitsy tsy hidirana ny tampon-tanan’i Ranomafana. Vokany, nisy olona iray maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy, nisy iray ihany koa naratra mafy voakapa tamin’ny famaky. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no niditra tao an-tanana ireo andian-jiolahy ireto. Fanapoahana basy lavareny no re niaraka tamin’ny horakaroraka, nentina nampitahorana ireo mponina. Mazava ho azy fa betsaka tamin’ireo fokonolona no nandositra avy hatrany teo anatrehan’izany. Misy anefa ireo tsy tafatsoaka ka io tsy nisalasalan’ireo tsy valahara ireo ny namono azy. Nigalabona tanteraka tamin’izay izy ireo taorian’izay, nandroba ireo trano miisa dimy, niaraka tamina fivarotana enta-madinika roa tao an-toerana. Vola mitentina eo amin’ny enina hetsy sy telo tapitrisa ariary teo ho eo no azon-dry zalahy ireto.
Nisy avy hatrany ny fampandrenesana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra tao Ranomafana ka nisy ny fandefasana mpitandro filaminana tany. Nisy sasany tamin’ireo olon-dratsy anefa no namahatra teny an-dalana ka raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Sendra ny efa za-draharaha anefa ireo dahalo ka nanao tsoa-pe nandositra avy hatrany tany anaty ala tany, rehefa hitan’izy ireo fa tsy resy tosika ireo zandary. Nanampy ireto farany tonga tany an-toerana ihany koa moa ny avy any Mananjary sy Fianarantsoa. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola eo am-pikarohana sy savahao ny manodidina ireto mpitandro filaminana. Nisy ihany koa ireo napetraka mba hiaro ireo tanana ny amin’ny mety ho tampody fohy ataon’ireo olon-dratsy fa indrindra ny fiarovana ireo mpizaha tany sy mpiala sasatra tonga any an-toerana. Ireto farany izay tsy misy ahiana akory na dia voalaza any an-toerana aza fa toa hoe maromaro ihany ireo nandao avy hatrany ny toerana nisy azy.
m.L