Niala ny lalana ary nifatratra tany anaty renirano. Izany no nanjo ny mpandeha fiara hanatontosa ny adidy farany tamin’ny havana maty. Teny an-dàlana hamonjy ny fasana no nitranga ny lozam-pifamoivoizana teo Vohiparara-Ranomafana, eny amin’ny lalam-pirenena faha-25. Soa fa mba tsy nisy ny aina nafoy. Na izany aza, maro ny mpandeha naratra ary tsy maintsy nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ny fiara kosa dia tena latsaka sady nivadika tao anaty rano lalina ary nijanona tao hatramin’ny omaly. Izany hoe saika loza amin’antambo ity tranga ity, satria sady mety ho voadona mafy ny mpandeha talohan’ny nilentehana tao anaty rano. Mba nahavita nanavotra aina nivoaka tamin’ny fitaratra anefa izy ireo ary nifanavotra koa avy eo. Raha araka ny fanazavana azo tamin’ity lozam-pifamoivizana ity dia nanao torimaso fotsy ny mpamily ilay fiarakodia. Izany hoe resin-tory tampoka teny an-dàlana izy noho ny harerahana. Manamarina ny fepetra noraisina vao haingana ihany ity tranga ity, mahakasika ny tokony hisian’ny mpamily roa rehefa lavitra, indrindra raha mihoatra ny 1000 km ny lalan-kizorana. Ankehitriny mantsy dia tena mila hery ny fitondràna fiara amin’ny lalam-pirenena noho ny haratsian-dàlana sy ny tahotra amin’ny mpanakan-dàlana etsy sy eroa, any amin’ny ampahan-dàlana misy dahalo. Tsy an-kijanona ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena raha vao nanomboka ny fotoanan’ny fialan-tsasatra. Tao ny antony mekanika, tao ny fandehanana mafy, ary tao koa ny harerahana. Mazava ho azy fa tsy maintsy mifatratra any amin’ny mpamily hatrany ny rihitra rehefa mitranga izany. Tsy misy mahadiso izany fa kosa mba tokony ho tonga any amin’ny tena anton’ny loza amin’izay ny fanadihadiana. Sao mba tsy tomombana ny fitsirihina ara-teknika, sao mba taratasy fahazoan-dalàna “vorontsiloza” ny an’ny mpamily. Irarian’ny mpampiasa làlana mihitsy aza ny mba ho tonga any amin’ny orinasa sasany izay nanao tandrevaka ny fanamboaran-dàlana ny sazy, satria isan’ny tompon’andraikitra amin’izao lozam-pifamoivoizana mahafaty olona matetika izao ny tandrevaka nataon’izy ireo.
D.R