Nitrangana loza mahatsiravina ny lalam-pirenena faha-25 omaly maraina. Fiara mpitatitra olona Mercedes Benz 307D mampitohy an’i Vohiparara (Faritra Matsiatra ambony) sy Ranomafana (distrikan’i Fanadiana) no potika tanteraka rehefa nivadika tany anaty rano. Vokany olona 4 no namoy ny ainy. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia niainga avy any Ambalakindresy io fiara io omaly maraina ka hiazo an’i Ranomafana. Nitranga ny loza rehefa tonga teo amin’ny faritra izay be fidinana sy fiolahana ity fiara ity. Tao anatin’izany indrindra no nisy kamiao iray niakatra avy any Ranomafana. Niezaka niala io kamiao io ihany ny mpamily ilay taksiborosy saingy noho ny haterin’ny làlana dia voafaokan’ilay fiara lehibe ka latsaka tamin’ny hantsana tamin’ny ankavan-dalana ary nivarina avy hatrany tao anaty ranon’Andriamamovoka. Nivadika ambony ambany saingy tsy nilentika tanteraka fa mbola nipoitra ny antsasany. Niezaka namonjy avy hatrany ny fokonolona teo amin’ny manodidina ka nisikotra tsirairay ireo mpandeha tao anaty fiara izay maty teo no ho eo ny vehivavy 2 sy lehilahy 1. Olona 10 kosa no naratra ka nalefa haingana tao amin’ny CSBII Ranomafana ary avy eo nentina tany amin’ny hôpitaly Fianarantsoa. Tsy tana anefa ny ain’ny vehivavy iray rehefa tonga tany ka nampakatra 4 ny isan’ny maty tamin’izao loza izao. Ny borigadin’ny zandary ao Ranomafana no manao ny famotorana.
T.M.