Nivadika ary nifatratra tany amin’ny faran’ny hantsana tokony ho 200 metatra ny fiara taksiborosy iray avy any Mahajanga ho any Vangaindrano, teo Ambatolahy, distrikan’i Ranomafana. Vokany,olona roa no namoy ny ainy, lehilahy iray sy vehivay iray, ary 24 kosa ireo naratra, manaraka fitsabona ao amin’ny hopitaly Ifanadiana. Raha ny fanazavana azo dia mety ho vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Voalaza mantsy fa tsy nahitana dian-kisatra teo amin’ny arabe nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary teny an-toerana. Nivadibadika izy io, ary tafajanona tany amparahantsana. Tamin’izany no nahafaty ilay rangahy teo no ho eo, raha teny an-dalana hamonjy toeram-pitsaboana kosa no namoy ny ainy ilay vehivavy iray. Mbola misy olona efatra hafa, tena voa mafy ary ahiana ny ainy. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana sy nanampy tamin’ny famonjena ireo mpandeha. Misokatra ny fandihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity.
Yv Sam