- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversRanomafana-Taolagnaro : Mahazo vahana ny vaky fasana, taolam-paty tratra tanaty taxi-brousse

Ranomafana-Taolagnaro : Mahazo vahana ny vaky fasana, taolam-paty tratra tanaty taxi-brousse

Taolam-paty tapa-gony no tratra tamin’ny mpandeha iray, tsy mbola fantatra ny isany. Ny alahady teo no nisehoan’izany, tao amin’ny sampanan-dalana 4km tsy hiditra an’i Fort-dauphin, amin’ny lalana RN13. Fiara mpanao fitaterana iray mampitohy an’i Ranomafana sy Ambolo-Taolagnaro no nahatratraran’ireo mpitandro ny filaminana ny entana. Nasaina nidina avokoa ireo mpandeha. Nosavaina ny entana ka tratra tokoa ilay taolana. Reha nasaina niditra tao anaty fiara ireo mpandeha dia tsy hita ny nanjavonan’ireo olona sasany. Teo no nipetraka ny ahiahy. Loharanom-baovao nomen’ny olona tsy fantatra no nahafantarana izany. Marihina fa misy olona roa anisan’ny ahiahina no tazonin’ny mpitandro ny filaminana anaovana fanadihadiana. Mbola mandeha ny famotorana. Maro no mitaraina any amin’iny lemak’i Manampanihy Ambolo Ranomafana iny noho ny afitsok’ireo mpamaky fasana ireo.

Rfa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici