- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversRanomafana : Teratany vahiny namoy ny ainy tao anaty ala

Ranomafana : Teratany vahiny namoy ny ainy tao anaty ala

Teo am-panaovana fitsidihana ny valanjavaboahary tao Ranomafana mihitsy ity terantany vahiny 73 taona no nitolefika moramora. Tsy avotra intsony ny ainy. Omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nahazo antso tamin’ireo mpitondra mpizahantany ny teo anivon’ny zandary avy ao Ranomafana, mahakasika ity terantany vahiny namoy ny ainy ity. Vantany vao hitan’ireto farany ny nahazo ity vazaha ity, dia nezahin’izy ireo nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana CSB-II tao Ranomafana izy. Indrisy anefa fa efa tsy avotra intsony ny ainy raha ny vaovao azo. Hatreto, araka ny fampitam-baovao azo dia tsy mbola fantatra mazava ny tena nanjo ity terantany vahiny ity. Ny filazan’ireo guide tamin’ireo zandary nidina avy hatrany tany an-toerana no nilazan’izy ireo fa efa tsy salama loatra izy io nialohan’ny fitsidihana. Rehefa vita io fitsidihana io no nianjera tampoka ny lehilahy ary izao nindaosin’ny fahafatesana zao. Omaly ihany moa no natao ny fitsirahana ny razana nataon’ireo mpitsabo. Nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity kosa ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici